Aloky ny fahasambarana – fizarana faharoa farany
Sady nangovitra izy roa kely ka namaly hoe : ieee !
Nanontany ihany ilay olona : « f’angaha moa ianareo tsy mitovy amin’ny ankizy rehetra ihany eh ? «
Namaly izy roa : « mitovy ka ! «
Hoy ihany ilay rangaha : « sambatra ary ianareo sa mijaly ? «
Namaly indray izy roa : « sambatra ka «
Nipetraka teo alohany ilay lehilahy ka nanontany : « azafady ange ! ianareo roa angaha manana baiboly ? «
Dia namaly i LILA izay nanomboka tsy natahotra : « manana izahay, no sady mpianatra sekoly alahady. Fa ahoana kay ? «
Dia namaly ilay lehilahy fa : « ianareo izany no tena sambatra ! «
BAHOLY : zany ve ! (sady faly ery !fa ahona ary eh !)
Hoy ilay rangaha « …mandalo izao rehetra izao sy ny filany… » rankizy I JAO : 1/17a, tenin’Andriamanitra izany hoy ilay rangaha. Gaga izy roa fa hainy hatramin’ny toko sy andininy nefa tsy misy Baiboly teny an-tanany.
Nitohy niteny ihany ilay rangaha ka hoy indray izy « misy teny tonononareo isan’alahady ao am-piangonanareo ao, tadidinareo ve ? ilay hoe : Sambatra ny mahitsy lalana sy mandeha araka ny lalan’i Jehovah, ary sambatra ny mitandrina ny tenin’ny vavolombelona ka mitady azy amin’ny fony rehetra ; sy ilay hoe : Sambatra ny olona izay voavela heloka sy voasarona ny fahotany ary sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny (SAL32 :1-2) ; ary aza adino koa ny manatanteraka ny tenin’i Jesoa Kristy ao amin’ny MAT 5/3-12 .Vakio ny Baiboly nareo rehefa tonga any an-trano ary aza adino koa ny APOK :1/3 sy APOK :22/14 dia ilazao izay mbola tsy mahatsiaro ho sambatra. «
Niara-niondrika izy roa ka nifanontany hoe : fa iza io eh? tena mahay Baiboly be, andao amin’izay hody ka !
Vao nitraka anefa ry zareo dia taitra satria efa tsy teo intsony ilay olona. Tena gaga ry zareo, fa iza iny ? Fa inona iny ? sady natahotra « sao dia matoto eh ? «
Niainga ihany izy roa ka velon-kira indray nony avy eo.
« Sambatra aho Jesoa ôh ! manana Anao Tompon’ny hery , sambatra aho Jesoa ôh ! miankina eo an-tratranao. Ampy ho ahy ny fitiavanao, ampy ho ahy ny finoaka Anao. Raketiko ao am-po lalandava fa reharehako Ianao ! «