Ireo nisongadina tamin’ny niarahan’ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo sy ny FJKM Ambavahadimitafo
Maro ireo zavatra nisongadina tamin’ny niarahan’ny fiangonana tamin’ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo :
1. Fampianarana arahina fifanakalozan-kevitra isaky ny Alahady faha efatra amin’ny volana
2. Fampianarana Soratra Masina isaky ny Alakamisy hariva
3. Fampidirana ny Katekomena zokiny
4. Fanovana ny toeran’ny polipitra fitorian-teny ho eo afovoany, mba hahazoan’ny mpitoriteny manatrika ny vahoaka rehetra
5. Fanovana ny dabiliom-piangonana tamin’ny fankalazana ny faha 140 taonan’ny Fiangonana
6. Fananganana ny rihana tamin’ny fankalazana ny faha folo taona nitondran’ny Mpitandrina Rakotoharintsifa ny FJKM Ambavahadimitafo
7. Fananganana ny Vaomieran’ny aim-panahy izay misahana ny fitoriana ny Filazantsara eo amin’ny faritra Ambavahadimitafo sy ny manodidina
8. Fananganana ny Tetikasa mendrika hanampiana ireo voagejan’ny zava-mahamamo sy mahadomelina ary ny fianakavian’izy ireo mba ho tafala amin’izany zioga izany.