Ilay mpamboatra olona
Ny vain-dohan-javatra ilaina sy tadiavina indrindra amin’izao andro izao dia olona. Mitady olona izao tontolo izao. Na aiza na aiza, ary na zovy na zovy dia samy miezaka hahita olona. Ny raharaha samihafa itadiavana olona ; ny mpampiasa mikaroka olona ; ny mpanakarama mikatsaka olona ; ny tompon-draharaha mizaha olona ombieny ombieny.
Tsy ny olona manana tongotra aman-tànana ihany, na ny misy lohany tokana sy maso roa monja, na ny miramarama amin’ny fomba amam-pahaizana fotsiny anefa no ilaina. Eny, tsy olona mitsangam-pe olona fotsiny izao no tadiavina, fa ny tena olombelona mihitsy.
Noho izany ny ray aman-dreny dia maniry ny zanany ho tena olona, ny zanaka mitady ny ray aman-dreniny ho tena olona ; ny mpampianatra miezaka hahatonga ny mpianany ho tena olona. Na mpanakarama na mpiasa, na tompoina na mpanompo, na andrianina na mpanandriana, dia samy manao izay hahitana io tena olona io avokoa.
Ny antsoina hoe tena olona amin’izany dia ny manana toetra ambony sy mendrika, manam-panahy mihaja sy maha-te-hanaja, manam-pomba tsara sady mahasoa, manan-toe-piainana kanto sady maha-te-hanaraka.
Tsy olona mandeha singana amin’ny toetra, ka hoe marina amin’itsy, marina amin’iroa ihany, fa fenomanana amin’ny toetra fatratra sady mahomby.
Olona toy izany voalaza izany no ilaina amin’ny raharaha rehetra, sy kendrena amin’ny Fivavahana Kristianina, ary irina sy itadiavana amin’izao andro izao.
Hita anefa fa mbola misy tsy mahafa-po ; ao koa ny mananonanona be ihany. Mahalana no ahitana olona tonga lafatra araka izay re atsy sy ary, na amin’izay hita hatraiza hatraiza. Ary na dia samy miondrika mijery ny tenantsika aza isika dia hahita ny tsi-fahampiana sy ny fahabangana anaty, ary hahafantatra ny tsy mahatomombana antsika ao amin’ny maha tena olona.
Iza ary no mahay mameno ny banga amin’ireny?
Zovy no mahay manentina ny madilana amin’izany? Iza no mahay manohy ny tapaka amin’ny toy izany? Iza no mahay manamboatra ny simba amin’ny tahaka izany, mba hahatonga antsika ho tena olona ?
Raha mieritreritra izany fanontaniana izany aho, ka manantena valiny mahafa po dia tonga ao an-tsaiko ny teny anankiray nataon’i Jesosy Tompo hoe :
« Andeha hanaraka Ahy fa ataoko — olona hianareo » (Mat. 4:10).
Amin’izany teny izany dia manao antso avo Jesosy ; mitory ampahibemaso Izy ; milaza miharihary Kristy, fa ny adidiny, ny andraikiny, ny tena raharahany dia ny manamboatra olona. Jesosy ny Ilay Mpamboatra olona, araka ny voalaza eo amin’ny lohateny.
Tsy misy afa-tsy Izy ihany no mahay manamboatra ny olombelona ho tena olona. Ny olona sasany dia manefitefy, manaonao, na amin’ny resaka, na amin’ny fampianarana, na amin’ny toro-hevitra, fa ny tena manamboatra olona ho amin’izay tena maha-izy azy tokoa dia Jesosy irery.
Mahafinaritra anefa ny hilaza fa alohan’ny niantombohan’i Jesosy tamin’izany raharaha lehibe izany dia efa nanamboatra ny tenany Izy aloha. Raha ny maha-olombelona an’i Jesosy no dinihina, dia miseho mazava fa nanamboatra toetra hanam-piraisana bebe kokoa tamin’Andriamanitra Izy.
Noho izany dia hita tao amin’i Jesosy ny toetran’Andriamanitra. Hoatra ny takona aza ny maha-olombelona an’i Jesosy indraindray. Izany mantsy no tazan’i Tomasy ka nanaovany hoe :
« Tompoko sy Andriamanitro! » (Jao. 20:28)
Zanak’olona no anarana iantsoana an’i Jesosy indraindray ao amin’ny Filazantsara.
Noho izany dia manam-pihavanana amin’ny olombelona rehetra Izy. Azo lazaina fa havana akaiky Jesosy, mpanampy mahafatra-po ary sakaiza azo antoka. Ny fomba ambony indrindra nanamboaran’i Jesosy ny tenany ho amin’izany toetra izany dia ny fetezany hanoa an’Andriamanitra.
Izany no izy, kanefa nisy fomba tsotra koa izay nanamboaran’i Jesosy ny toe-piainany hahatonga Azy ho tena Mpanamboatra olona. Raha misy maniry ny tenany, ny zanany, ny havany, ny namany, ny mpiray trano, ny mpiara-monina, ny mpiray tanindrazana, ny mpiray firenena aminy ho tena olona, ary na dia ny fahavalo aza, dia ny mianatra ny fomban’i Jesosy no tsara. Modely tonga ohatra ny Azy.
Nisy fomba telo narahin’i Jesosy tamin’ny nanamboarany ny toe-piainany izay azo zohina ao amin’ny Filazantsara. Izany fomba telo samihafa izany dia samy ialohavan’ny teny mitovy hoe : « Araka ny fanaony… »
Ny voalohany indrindra tamin’ireny dia voalaza fa
« araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny synagoga… Izy ka nitsangana hamaky teny » (Lio. 4:16)
Ny famakiana ny Soratra Masina no nanankery tamin’ny fanamboaran’i Jesosy ny fiaimpiainany nandritra ny telo-polo taona niomanany. Ny Soratra Masina no nodinihiny sy nivelomany. Ny fanaovana an’izany no noheveriny ho sakafom-panahy hanatanjaka sy hamelona ny fiaimpiainany.
Koa raha Jesosy aza nanao izany mba hahavitany ny adidiny, mainka fa raha misy maniry ho tena olona tokoa, dia tsy maintsy mianatra an’i Kristy, ka hanaraka izany fomba izany koa.
Ny zavatra faharoa nanamboaran’i Jesosy ny toetrany koa dia hita amin’ny tohin’ny hoe :
« Araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianany koa nanaraka Azy » (Lio. 22:39)
Ny anton-diany tamin’izany dia ny hivavaka. Fomba anankiray makadiry nanamboaran’i Jesosy ny fiaimpiainany izany. Raha ny Soratra Masina no sakafom-panahiny, dia azo lazaina fa ny vavaka kosa no toy ny rivotra niainany. Ny vavaka no nampiray Azy tamin’Andriamanitra ; izay no nanatonany ny Rainy isan-andro na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra.
Misy mitady ny hahatonga azy ho olona va? Aza hamaivanina ny manaraka ny dian-tongotr’i Jesosy tamin’ny vavaka.
Ny fomba fahatelo nanamboaran’i Jesosy ny fiaimpiainany koa dia miseho amin’ny teny hoe :
« Araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy » (Mar. 10:1)
Fanompoana sy fanasoavana ny hafa izany. Tamin’ny asa tsara nataon’i Jesosy, tamin’ny resaka mamy navoaky ny vavany dia tsy nalefalefany foana, fa nisy fampianarana ny amin’Andriamanitra. Tsy afa-po velively Jesosy raha tsy nikasika ny amin’ny Filazantsaran’Andriamanitra izay rehetra nataony. Toy izany no nanompoany sy nampianarany ary nanasoavany ny hafa. I
ndreo ary ny filamatra tsotra avy amin’i Jesosy. Raha te-ho olona isika dia tsy maintsy mianatra an’i Jesosy. Rehefa izany dia manaiky hamboariny araka ny teniny hoe : « Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko… olona hianareo. »
Rabevazaha