Ny adidy mahamaika amin'izao fotoana izao
Fikambanana iray lehibe izay mikendry zavatra ambony dia ambony ny Fiangonana. Sady milofo hanatsara ny fiainan’ny olona izy no miezaka koa hampandroso ny fanahiny ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ary amin’ny anaovany izany dia maro loha ny asa sy ny fomba tsy maintsy hataony hanatanterahana azy, ka tsy mety ho vita faingana na azo atao indray manezaka, fa misy tokony himasoana kokoa amin’izao fotoana izao, dia fotoana izay handrosoan’ny sivilizasiona, fotoana mampanano-sarotra ny fiainana, ary fotoana isehoan’ny zava-baovao maro mety hanimba ny tanora sy ny marivo saina.
Koa inona ary no tokony hovonjena faingana kokoa ?
1. Fanorenana sekolim-piangonana
Be ny ankizy no tsy mahita fianarana amin’izao fotoana izao, ka tsy hahavaky teny na hahasoratra akory ao aoriana, ary na dia misy aza ny sekolim-panjakana dia tsy tratry ny ankizy rehetra noho ny halavitany ; ary na dia ho ampy aza dia mbola ilaina ny hisian’ny sekoly hianarany Soratra Masina, mba hiorenany tsara amin’ny finoana kristianina.
Fantatra fa raharaha sarotra sady ilana vola be izany, nefa mety ho maivana kokoa raha ny Fiangonana mifanakaiky no mifanampy hiara-manatanteraka azy ; na raha azo atao dia hikambana mihitsy aza ny Fiangonana madinika mba hahazoana ny trano iray ho tranosekoly, sady hanjary Fiangonana lehibe ny madinika amin’izay.
2. Fiheverana bebe kokoa izay handrosoan’ny zazavavy
Manao mizana tsindriana ila ny ankabeazan’ny ray aman-dreny, ka ny zazalahy ihany no heveriny fatratra, fa ny zazavavy dia tsy ahoany loatra. Nefa moa tsy ny zazavavy va no iankian’ny fandrosoan’ny firenena, satria izy no mikarakara ny tokantrano sy tonian’ny fitaizana ny ankizy ara-nofo sy ara-panahy ; fa ny lehilahy dia matetika no tsy mitoetra an-trano, fa miasa any ivelany. Koa hataon’ny vehivavy tsy manam-pahalalana ahoana no fahavitana ity adidy mavesatra ity ; ary iza moa no ho tonga lehilahy vanona sy ambony afa-tsy ireo ankizy tsara taiza manana reny hendry.
3. Ny fikarakarana ny tanora
Ny antsoiko amin’ity dia ireo tanora efa niala tamin’ny fianarana, satria misy ny sasany amin’izy ireny tsy ny sekoly ihany no nialany, fa ny Fiangonana koa no andosirany, koa ahina ho faty maso ny Fiangonana ao aoriana rehefa lasa ireo ray aman-dreny mazoto ankehitriny, raha tsy ikelezana aina fatratra izay hahatamana ny tanora ao amin’ny fiangonantsika.
Koa mety raha omena anjara amin’ny fotoam-pivavahana ny ankizy, ary ny tanora tolory raharaha tandrifina azy mba tsy halaim-panahy hiriorio foana amin’ny Alahady ; indrindra fa ny hahazoana azy hianatra Soratra Masina amin’ny Sekoly Alahady dia zava-dehibe hahasoa azy.
4. Ny fanomanana zatovo ho mpitandrina
Iaraha-mahalala fa sahirana fatratra izao ny Fiangonana amin’ny tsy fahitana mpitandrina, hitondra azy. Ireo taloha efa vitsy sady mihaosa, ary ny zatovo manam-pahaizana hasolo azy tsy voaomana ho amin’ny raharaham-piangonana, fa lasa amin’ny raharaha hafa ; ka nony mitady mpitandrina ny Fiangonana dia misambotra izay sendra hitany, na manao sinto-mahery ny an-tanan-kafa ; ary vao mainka hitombo ny fahasahiranana raha tsy manomana dieny ankehitriny.
Ary na dia ao aza ny kolejy Ambohipotsy sy Ambatomanga ary ny hafa koa, dia tsy mahasahana velively izay ilaina, fa vitsy loatra no azo raisina noho ny tsy fahampian’ny fiantohana azy.
5. Ny fandaniam-bola ho fanasoavana ny namana
Mahafaly ny mahita ny fiezahan’ny Fiangonana amin’ny fandoavam-bola ankehitriny, nefa mbola saiky ny soa ho azy iray trano ihany no mahafana fo azy. Vola manao ahoana no efa nolanina tamin’ny harmonia, polipitra, tilikambo, lakolosy, gorodona, rihana, lalotra ciment, tafo fanitso, ets… Vita ny iray dia mandroso ho amin’ny anankiray indray, ary toa tsy afa-po ambara-pahatanterak’ireo.
Tsy ratsy ireo, na tsy ilaina, satria hahatonga ny trano fivavahana ho mendrika ny tranon’Andriamanitra ; saingy lany be loatra ao ny herin’ny Fiangonana ka tonga maivana aminy ny fitsinjovana ny adidiny any ivelany hanitarana faingana ny fandrosoan’ny fanjakan’Andriamanitra. Ireto tokony hataonareo, ary tsy tokony ho hamaivaninareo ireo.
6. Ny fitaizana ny Fiangonana mba ho ara-panahy kokoa
Toa mirosarosa loatra ny Fiangonana malagasy amin’ny fandrosoana ara-panahy. Efa 100 taona mahery nefa tsy mby aiza loatra fa efa nihoaran’ny zandriny taty aoriana. Efa voafafy ela ny voan’ny Filazantsara, nefa tsy lalim-paka, sady mbola mialokaloka ao ry Ananiasy sy Demetrio, mbamin-dry Jezebela sy Jodasy.
Raha ny fahelan’ny andro dia efa tokony ho mpampianatra, kanjo mbola amin’ny abidim-pianarana ihany ; mbola zaza antonina ronono fa tsy mbola mahalatsaka ventin-kanina loatra ; hany ka entina mahery, mitrotrongy ; tantanana moramora, mikodredraka ; omena hanaranam-po amin’ny hevitra, mifandramatra ; tarihina hanaraka, midongy ; toroana ny mety, manao azy ho hendry ; avela handeha amin’ny tiany, mibirioka.
Nahoana? Tsy mbola ara-panahy loatra. Koa ilaina mihitsy ny fanavaozana ny Fiangonana sy ny fitoriana tsotra ny Filazantsara.
« Fa raha misy tsy manana an’i Kristy dia tsy Azy. »
Ny Tompo anie hamangy ny Fiangonana malagasy indray, hahitany hevitra sy fomba hampandroso azy bebe kokoa.
Rasamoely – Fiadanana