Ireo dingan'ny finoan'i Marta, Jaona 11.21-27, 39-40
Amin’i Jesoa, ny toe-javatra rehetra miseho dia fotoana mety avokoa mba hampianarana sy hanabeazana izay olona manatona Azy. Eto dia ny hampiorina ny finoan’i Marta miatrika ny fahafatesan’i Lazarosy, anadahiny, no nimasoan’ny Tompo. Efatra no voalazan’i Jaona fa dingana nampandalovan’i Jesoa io finoan’i Marta io.
1. Finoana ny resaka ren’ny sofina (21-22)
Ny faharenesana ny amin’ireo fahagagana nataon’i Jesoa, dia nahazoan’i Marta an-tsaina ny maha olon’Andriamanitra miavaka ity Jesoa miresaka aminy ity. Miavaka noho ny heriny sy ny fahefany mihoatra ny mahazatra ka nahasitrana ny zanak’ilay tandapa narary efa ho faty tany Kana (Jaona 4. 46-50) sy nampahiratany tao Jerosalema ilay lehilahy teraka jamba (Jaona 9. 1-6). Mba hampisongadina ny finoan’i Marta ny maha mpanasitrana tsy roa aman-tany an’i Jesoa, dia taterin’i Jaona ny tenin’ireo Jiosy sasany naneso an’i Jesoa izay namelona ny mason’ilay jamba nefa tsy nanao izay tsy ho nahafaty an’i Lazarosy (Jaona 11. 37).
2. Finoana ny fampianarana takatry ny saina (23-24)
Ny teny navalin’i Marta ny fanambaran’i Jesoa hoe : “Hitsagana ny anadahinao”, dia naneho fa mazava tsara aminy ka voarainy sy inoany izay nampianarina azy tany an-tsekoly ny amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany. “Fantatro ihany” hoy izy. Izany hoe : haiko ny momba io fampianarana io ka sady tsy hatoro ahy intsony no tsy hitondra fanampim-pahalalana mety hampisava ny alaheloko. Nahatsiaro ho diso fanantenana manko i Marta rehefa nahita an’i Jesoa tsy nangataka ny hananganan’Andriamanitra an’i Lazarosy amin’ny maty fa nionona tamin’ny fanambarana fampianarana efa fantany. Ary io fahadisoam-panantenana nahazo azy io no niteraka fifandisoana teo amin’ny fandraisany ny hevitry ny teny nataon’i Jesoa, teny izay midika fa izao ankehitriny izao no hitsangana amin’ny maty i Lazarosy ary Izy Jesoa no hanangana azy.
3. Finoana ny fanambarana nataon’i Jesoa ny amin’ny tenany (25-27)
Tsy nahasakana an’i Jesoa tsy hanohy ny fampianarana ny finoan’i Marta ny hadisoan-keviny momba ny teny voalohany nataony. Trangan-javatra efa fahitany teo amin’ireo mpino sy mpanaraka Azy rahateo ny toy izao ka tsy nahagaga Azy intsony. Iray amin’ireny ny hatailam-pandraisana ny amin’ny fampianarany momba ny mofon’aina izay nahatafintohina ka nampihemotra ny maro tamin’ny mpianany ary nahatonga Azy hanontany ny roa ambin’ny folo lahy hoe : “Ianareo koa ve mba te hiala ? (Jaona 6. 60-67). Fantatr’i Jesoa koa anefa fa ny fahoriana midona no manarona ny sain’i Marta tsy hahatakatra ny vontoatin’ny teny nolazainy taminy. Izany no nahatonga Azy hanambara amin’ny fomba hentitra sy mivantana fa Izy “no fananganana ny maty sy fiainana”. Ny mahagaga dia izao : nanala ny sarona nandrakotra ny masom-panahin’i Marta io fanambaran’i Jesoa io ary nanokatra ny vavany hanonona ilay fanekem-pinoana tsara indrindra : “Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, Izay ho tonga amin’izao tontolo izao”.
4. Finoana manova ny fijerin’ny maso (39-40)
Ny fanesorana ny vatom-pasana, mariky ny sisin-tany mampisaraka ny toerana misy ny maty amin’ny misy ny velona, no baiko farany nasain’i Jesoa notanterahina mialoha ny hananganany an’i Lazarosy.
Fa tamin’i Marta, dia ny fiahanahana mbola tavela tao aminy no vato nisakana ny fahazoany antoka ny zavatra antenainy dia ny fitsanganan’ny anadahiny amin’ny maty. Ny fanesoran’i Marta io sisam-pisalasalana tao aminy io no dingana farany nampanaovin’i Jesoa ny finoany mba hahazoany mahita ny voninahitr’Andriamanitra velona ao ambadiky ny fasana ametrahana ny maty. “Dia nesoriny ny vato” hoy ny fitantaran’i Jaona. Nino i Marta ka nahita fa tsy tahaka an’i Tomasy izay nahita vao nino.
Fampianarana ho antsika. Sahia manatona ny Tompo amin’ny fotoana rehetra. Sahia koa mangataka aminy ny hampiorenany ny finoantsika. Meteza kosa anefa hankato ny teniny sy hanatanteraka ny baikony hanaisotra izay sisasisam-pisalasalana misakana ny fampitomboany ny finoantsika.
Andrianavalona Solomon