Toriteny 19 jona 2011:alahadin’ny Trinite na alahadin’ny fahafenoana
Ny alahady manaraka ny Pentekosta no voalaza fa alahadin’ny fahafenoana, fahafenoan’ny asan’Andriamanitra. Feno ny fanomezan’Andriamanitra antsika.
Manana Ray isika, Ray Mpahary, izay nahary ny raintsika tsirairay avy ary hifaliantsika amin’izao fetin’ny Ray koa androany izao.
Manana an’i Jesoa Kristy isika, izay nanolotra ny tenany sy ny rany teo amin’ny hazo fijaliana mba hanafaka antsika.
Nomena antsika ihany koa ny Fanahy Masina isika, izay vao nomarihina tamin’ny alahadin’ny Pentekosta teo.