Tsy afaka miteny ny olona iray hoe nanolo tena raha tsy nitory ny filazantsara
Toriteny tamin’ny alahady 11 septambra 2011, alahady natokana ho an’ny Asa Fitoriana ny Filazantsara. Notoriana tamin’izany ny Salamo 31 : 1-8 :
1 Ho an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida. Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin’ny fahamarinanao aho.2 Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy.3 Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.4 Hanafaka ahy amin’ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
5 Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.
6 Halako izay mivavaka amin’ny sampyt; fa Jehovah kosa no itokiako.7 Hifaly sy ho ravoravo amin’ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian’ny fanahiko,8 ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan’ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin’ny malalaka
Nandritra io fotoana io ihany koa no nanatontosan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo ny toriteny an-kira.