Fifaninana Hira faneva sy logo faha-150 taona
Efa misokatra nanomboka ny alahady 15 jolay 2012 teo ny fifaninana hira faneva sy sary famantarana (logo) ho amin’ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo.
Toy izao manaraka izao ny fitsipika ny amin’izany :
Teny faneva : « Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ny tànanay » Salamo 90 : 17
1) Hira faneva
- Hira misy andininy 3, andalana 8 avy farafahabetsany + fiverenana andalana 4, ahitana ny teny faneva
- Rythme : maredona sy mavitrika
- Atao anaty taratasy fotsy ny solfa misy tonony, atao anaty CD ny hira : feon-kira, tonony misy feo efatra
- Atao anaty valopy kely ny momban’ny mpifaninana
- Atao anaty valopy lehibe ireo rehetra ireo avy eo misy ny marika hoe HIRA FANEVA FAHA-150 TAONA
- Fotoana farany hananterana ny sangan’asa ny Alahady 09 Septambra 2012, raisina isan-kalahady eo an-tokontanim-piangonana
2) Logo
- Maneho ny fankalazana ny faha-150 Taonan’ny fiangonana
- Loko ampiasaina :Gris, Grenat, Bleu turquoise, Fotsy
- Atao anaty valopy kely ny momban’ny mpifaninana, arahina fanazavana fohy momba ilay logo natao
- Atao anaty CD ny logo
- Atao anaty valopy lehibe ireo rehetra ireo misy ny marika hoe LOGO FAHA-150 TAONA
- Fotoana farany hananterana ny sangan’asa : ny Alahady 19 Aogositra 2012, raisina isan-kalahady eo am-piangonana
Hahazo fankasitrahana izay mendrika.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra irery ihany.
Fifandraisana:
Atoa Robijaona Yves : 034 01 540 08
Atoa Ralibera Henri : 034 39 743 10
Atoa Ranarijaona Tsifasoa : 034 42 318 59
Rtoakely Rakotondramala Fetra : 033 11 238 07