Toriteny Alahady 27 Desambra 2009 – Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy omeko ny hafa na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokotra
Mbola ampitomboina aminareo anie ry havana, ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Zanany, Amen.
Amin’izao alahady anio izao dia izay ampahany amin’ny teny izay novakiana teo no handraisantsika hafatra, izany dia hitantsika ao amin’i Isaia 42, ka ny andininy faha 8 no horaisintsika. Eto moa dia ny baiboly protestanta no nakànay ny teny : « Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy omeko ny hafa na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokotra ».
Saro-piaro amin’ny voninahiny Andriamanitra :
Izany fanambarana izany ry havana dia milaza amintsika ny maha Andriamanitra saro-piaro amin’ny voninahiny ny Andriamanitra Izay tompontsika, ka tsy manaiky ny hampirafesina amin’ny andriamanitra tsy izy toy ny sampy sy ny sarin-javatra voasokotra. Ato amin’ny testamenta taloha ry havana dia avy amin’ny alàlan’ny anarana na teny no nanambaràn’Andriamanitra ny tenany, ka na rahoviana na rahoviana hanononana sy hiantsoana izany anarana izany dia eo Izy, manatrika. Koa raha miteny Izy hoe Izaho no Jehovah dia miafina ao anatin’izany anarana izany ny asany, ny toetrany, ny mombamomba Azy. Izaho no Jehovah, izany hoe Andriamanitra Mpiaro ny mpanompony Izy. Izaho no Jehovah, izany hoe Andriamanitra manana fifandraisana lalina amin’ny mpanompony Izy. Izaho no Jehovah, dia midika hoe misy Aho, ary tsy hoe misy fotsiny fa Mpamonjy Izy, tsy mitoe-poana fa manatrika sy mitadidy ary manampy. Izany no antoka teo amin’ny zanak’Israely sy ny iraka rehetra manao ny asan’Andriamanitra, Andriamanitra Tsitoha izay mifehy ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy eo ambany masony.
Andriamanitra no mifehy ny olona fa tsy fehezin’olona, Izy no mitantana fa tsy tantànana, Izy no mandahatra fa tsy alahatra
Ry havana, ny fahatakarantsika ny herin’izany anaran’i Jehovah izany no tokony tsy hananantsika tahotra amin’ny fanantanterahana ny asa ampanaoviny, eny, fa na dia indraindray aza toa mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana izany.
Fa izay ampianarin’izao perikopa izao amintsika koa ry havana dia izao: « ny fahatakarana an’Andriamanitra amin’ny fanompoana omeny ». Amin’ny alàlan’ny fanantanterahana izany asa fanompoana izany, izay zara-fanompoana omena ny tsirairay, no ahatsapana ny heriny, ny fiarovany, ny fiombàny. Ho sarotra amintsika ny manakatra an-tsaina fotsiny eo ivelan’ny fanompoana ny halalin’ny fifandraisana Aminy. Angamba fotoana izao ho antsika ny hanolon-tena bebe kokoa noho ny teo aloha, amin’ny fanompoana Azy, dia ho fantantsika bebe kokoa iza moa Jehovah !
Fa izay marihina koa ry havana dia izao : tsy olombelona no nanome ny anaran’Andriamanitra toy izay fanao amin’ny sampy fa Izy Andriamanitra no nanambara ny tenany, nilaza ny anarany, milaza izay hiantsoana sy hifandraisana Aminy, izany hoe Izy no mifehy ny olona fa tsy fehezin’olona, Izy no mitantana fa tsy tantànana, Izy no mandahatra fa tsy alahatra. Be dia be ny fisehoan-javatra mety tsy ho takatry ny saintsika vokatr’izany, kanefa noho ny fisian’izany mistery maro izany no maha Andriamanitra Azy.
Fa tao amin’i Jesoa Kristy kosa dia tao amin’ny nofo na ny vatan’olombelona no nanambaràn’Andriamanitra ny tenany. Ary izany fidiran’Andriamanitra tamin’ny nofo izany no manatsara bebe kokoa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Tsy ny olom-boafidy irery no mahazo manantona an’Andriamanitra fa ny olona rehetra, ary tsy natao hoe mpanompo intsony isika fa zanak’Andriamanitra. Izany fahatakarantsika ny maha zanak’Andriamanitra antsika ao amin’i Jesoa Kristy izany no antoka ho antsika fa ny fiainantsika manontolo dia ao ambany fiarovana sy fitantànan’Andriamanitra ary mihoatra izay hitantsika amin’ny masontsika ankehitriny dia ny fiantohan’Andriamanitra ny fiainana ho avy. Koa na dia hampiasain’ny fahavalo handàvoana ny olon’Andriamanitra aza ny fahafatesana dia ampiasain’Andriamanitra kosa hiarovany ny olony ho eo ambany elany izany. Ary izany no mahatonga ny mpanompo mahatoky tahaka ny Apostoly milaza hoe « na fiainana na fahafatesana dia tsy misy mampiala antsika amin’ny fahasoavan’i Kristy ». Jesoa Kristy dia nampianatra antsika ny fifandraisana vaovao amin’ny mpiara-belona sy ny fifandraisana vaovao amin’Andriamanitra, koa ny mpiara-belona dia sakaiza azo iraisa-monina tsara amin’ny fikatsahana mandrakariva izay mahasoa azy ireny, Andriamanitra dia Ray azo hametrahana sy hanankinana ny fiainana manontolo, azo hivavahana sy hangatahina izay manery ny fo. Izany fampanankekezan’i Kristy antsika amin’Andriamanitra Ray izany no antoka amin’ny ho avintsika. Ary fantantsika tsara fa Andriamanitra mihitsy no manandratra ny anaran’i Jesoa Kristy ho ambonin’ny anarana rehetra, ka amin’ny anarany no handohalihin’ny lohalika rehetra na ny avy eny an-danitra na ny ety an-tany na ny eny ambanin’ny tany.
Matokia ny Tompo fa Izy no miantoka ny fiainanao manontolo
Jesoa Kristy mampianatra antsika ny fanompoana tonga lafatra ry havana, fa na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nataony zavatra ho fikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona. Ary rehefa hita fa nanantarehy olona Izy dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana. Ry havana, na dia nampianatra ny hangataka koa àry Jesoa, dia indray maka tsy novalin’Andriamanitra Rainy Izy Fa raha nangataka ny hanesorana ilay kapoaka mangidin’ny fahafatesana Jesoa, dia tsy nohenoin’Andriamanitra fa navelany hiharan’ny fahafatesana, dia ny fahafatesana mahatsiravina feno fahafaham-baraka teo amin’ny hazo fijaliana. Ny fanompoana dia tsy maintsy tanterahina hatramin’ny farany ary firifiry ny mpanara-dia an’i Kristy no maty martiora.
Nandalo fitsapàna ny Fiangonana tamin’ity taona ity, nanomboka tamin’ny tsy fahasalamàn’ny Mpitandrina izany ary niafara tamin’ny fahafatesany. Ry havana, matokia an’Andriamanitra fa mbola havoakany ho mpandresy isika. Ny hafanam-po tamin’ny fivavahana aoka tsy ho avotsotra fa mbola aseho ny voninahitr’Andriamanitra; fa Andriamanitra tsy olona ka handainga na zanak’olombelona ka hanenina, fa moa tsy efa nilaza va Izy ka tsy nefainy, ary efa niteny Izy ka tsy nitoviny.
Koa raha hamarana ity taona 2009 ity isika ary hiditra amin’ny taona 2010 dia matokia ny Tompo izay miantoka ny fiainanao sy efa nilaza fa « Indro Aho momba anareo mandrakariva ambara-pahataperan’izao tontolo izao ». Ho aminao anie ny Tompo, Amen.
RANAIVOSON Faramalala