Hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao
Alahady faha efatra amin’ny volana Septambra, natokana indrindra hitondrana am-bavaka ny Sampan’asa fikaroahana sy fandalinana finoana eo anivon’ny FJKM.
Ny Soratra Masina izay nakana ny hafatra dia ny Apokalipsy 3:7-13 :
« 7Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain’izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: 8Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. 9Indro, alaiko ny sasany amin’ny synagogan’i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. 10Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany. 11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. 12Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ny tanànan’Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. 13Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana. »