FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Tenin’ny mpitandrina Rakotoniera Eric 4 mianaka ho an’ny FJKM Ambavahadimitafo

Tenin’ny mpitandrina Rakotoniera Eric 4 mianaka ho an’ny FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 02 décembre 2013 à 09:12

Anterina ny fisaorana ny mpitandrina izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra, ramatoa RAZAFINDRATSIMBA Viviane, izay tsy maintsy nandao ny fiangonana na dia ao anatin’ny fandraisana aza ny andro androany dia nanaiky am-pitiavana izy mba hitondra ny tenin’Andriamanitra, sady ao anatin’ny faritra Avaratr’Andohalo no sady tanindrazan’i mama rahateo no misy anao; mankasitraka, mankatelina tompoko.

Tenin’ny mpitandrina Rakotoniera Eric 4 mianaka ho an’ny FJKM Ambavahadimitafo

Fahavononana hiara-miasa eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra :
– hanompo madio sy marina ny Tenin’Andriamanitra izahay, ary hizara araka izay tokony ho izy ny sakramenta, dia ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo, mba hitomboan’ny fiangonana amin’ny fahasoavana sy ny finoana
– ny toriteny sy ny fampianarana dia tsy araky ny sainay sy mari-pahaizanay tsy akory, fa araky ny asan’ny Fanahy Masina izay miasa aty anatinay araka ny fitarihan’ny fahasoavan’Andriamanitra izay manampy anay isan’andro
– faniriana ara-pikasana miredareda aty anatinay ny hahatonga an’ity fiangonan’Ambavahadimitafo ity, ho fiangonana hitàna ny laharana maha-reny fiangonana azy, ka ho fiangonana tsy mpiahy ara-bola fotsiny, na fiangonana mpanampy araka ny teti-bola izay voafaritry ny Foibe FJKM sy Synodam-paritany fotsiny, fa ho fiangonana mpampianatra ny zavatra tsara, mpampianatra ny asa tsara, mpitarika ny asa tsara, ary ho fianarana ho an’ny fiangonana rehetra, tsy eto amin’ny faritra Avaratr’Andohalo ihany fa eto amin’ny Foibe FJKM iray manontolo
– mangataka ny herin’ny Fanahy Masina sy ny fitondranareo am-bavaka izahay, hitandroanay ny firaisan’ny fiangonana tsy ho simba, hahatonga ity fiangonana ity hitàna hatrany ny fihavanana sy ny fifankatiavana; ary hiezaka izahay hiroso amin’izay fanapahan-kevitra mety sy mahomby hahatonga ny fiangonana tsy hisy pentimpetina, hahatonga ny fiangonana tsy hirohoroho saina noho ny anton-javatra samihafa izay mitarika amin’ny fisarahana sy ny tsy fifankahazoana.

Fisaorana ireo nanotrona

Misaotra an’Andriamanitra izahay fa ny teny izay nomeny anay dia nomenay ny komity koa, ary dia notanterahiny ara-bakiteny tokoa fa Andriamanitra mahay mampitombo ary dia isaorana ny Biraon’ny fiangonana, ny Komitin’ny fandraisan-tànana ary isika kristiana izay nanohana ny antso; tsy ny nandrotsaka tamin’ny vola amin-karena ihany, fa isika izay nanolo-kevitra sy nitondra am-bavaka nandritra ny fotoana ela, indrindra isan’alahady : nivavaka isika ho an’ny faha-150 taona, nivavaka isika ho an’ny fandraisan-tànana. Ireny vavaka nasandratra ireny dia nohenoin’Andriamanitra ary mihoatra lavitra noho izay noheverintsika sy nangatahintsika ny fiasan’Andriamanitra teo amin’izany komity izany.
Mankasitra antsika zanaka am-pielezana izay tonga namaly ny antso, na dia be tokoa aza ny fotoana mifanindry manerana ny sahan’ny FJKM amin’izao andro izao. Matoa isika maro dia ao ny fitiavana sy ny fahasoavan’Andriamanitra izay namela antsika hiombona amin’izao fotoana izao.

Hira fanamarihana

Nisaorana manokana ny mpamorona ny feon-kira fanaramihana izao fandraisan-tànana izao ny mpitandrina, ka notolorana ny fanomezana amin’ny anaran’ny mpitandrina mianakavy, dia andriamatoa RALIBERA Henri Andriamalala mivady : fihirana vaovao voahitsy sy ny marika hita maso. Ny hira fanamarihana dia tsy tahaka ny hira faneva izay mivalona miaraka amin’ny jobily, fa mitoetra ary azo hiraina amin’ny fotoana samihafa mety hitsiahivana ny fandraisan-tànana ny mpitandrina.

Hoy ny teninay 4 mianaka : « Raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an’i Jehovah izahay »

Zanaka

Fanamarihan’ny mpitandrina : raha 3 ny zanakao dia faha-efatra izany pasitera; raha 4 dia 5 izany, raha 1 dia 2 izany … Pasitera koa anisany : « zazabe », azonao resahina, azonao hanarina, azonao hantonona, azonao kapohina ny tànako, ary aza tsongoina ny sodiko. Misaotra tompoko. Ho tahian’Andriamanitra anie isika rehetra

FJKM Ambavahadimitafo, Alahady 01 desambra 2013, Fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera Eric mianakavy

Lire aussi

18/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra

Alahady 18 aogositra 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino« . Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IIKor 6;11 – 7;1  » 11Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka. 12Tsy tery aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany. 13Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny

11/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fahatahorana an’Andriamanitra no ambonin’ny zava-drehetra

Alahady 11 aogositra 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 12;4-7  » Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. 5Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo:

04/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ho masina ianareo, satria masina Aho

Alahady 04 aogositra 2024, andinihina lohahevitra vaovao indray manao hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino ».  Ny Mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IPetera 1;13-16  « 13Koa amin’izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy; 14tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena

28/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona miara-mandeha amin’ny Tompo dia tsara mpitarika ary tsy manan-tahotra

Alahady 28 Jolay 2024, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao ». Ny mpitandrina Rakototsihoaranambololona Domoina, mpitandrina FJKM Miadanimerina, fiangonana miara-mandroso @ FJKM Ambavahadimitafo. no nitory ny tenin’Andriamanitra araka ny Deotoronomia 34;1-8  » 1Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’i Pisga, izay tandrifin’i Jeriko. Ary nasehon’i Jehovah azy

14/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina

Alahady 14 jolay 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao », iombonan’ny Sampana Tanora Kristiana manerana ny FKJM. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitory ny tenin’Andriamanitra araka ny II Kor 15;1-11 1Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay

07/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miaraha mandeha amin’ny Tomponao fa omeny fahefana manokana ianao

Alahady 07 Jolay 2024, iombonana amin’ny sampana Vondrona Fototra Laika – FJKM, andinihina ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao ». Ny mpitandrina Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Apokalipsy 20;1-6 « 1Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny

07/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Fetim-bokatra 2024

Alahady 07 Jolay 2024, alahadin’ny Fetim-bokatra eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 8 : 12 « Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina,

30/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miaro ny olony tsy ho lavo ny Tompo

Alahady 30 jona 2024, ibanjinana farany ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo », ka nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Joda 24-25 24Ary ho an’izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana, 25ho an’Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie,

23/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Vokovoko manga 2024

Akahady 23 jona 2024, alahadin’ny sampana Vokovoko manga manerana ny FJKM, iarahabana sy itondrana am-bavaka ireo Zokiolona, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo« . Ny mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 21; 34-36 sy ITesaloniana 6; 4-11 34Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy

16/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetin’ny Ray 2024

Alahady 16 Jona 2024, fetin’ny Ray, ivon’ny Jobily faha-75 taona ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo ». Alahady nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5; 16  » Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo