Fetim-bokatra 06 jolay 2014
Toy ny fanao isan-taona dia ho tanterahina eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny Fetim-bokatra ny Alahady 06 Jolay 2014 ho avy izao.
Antony
Ny Fetim-bokatra no ezaka lehibe hataon’ny fiangonana hanatrarana ny vina voafaritra ao amin’ny Teti-bolam-piangonana 2014, izay mitentina Ar 10 550 000. Izany hoe tena miantoka ny fahatanterahan’ny fampandehanan-draharaha sy tetik’asan’ny fiangonana mandritra ny taona mihitsy ny Fetim-bokatra.
Hanana endrika manokana ny Fetim-bokatra amin’ity taona ity satria efa andiany faha-10 izao izy amin’ity taona ity : 2005 – 2014.
Ny Fiangonana sy ny zanaka am-pielezana
Ny Fetim-bokatra dia fanatanterahana ny VOKATRA an’ny Fiangonana ary hiarahana amin’ny Zanaka am-pielezana.
Endriky ny vokatra
- 07.30 – 08.45 : Fandraisana ny vokatra ( vokatra+ valopy)
- 09.00 – 10.30 : Fanompoam-pivavahana + Raki-dehibe + Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo
- 10.45 – 11.45 : Famarotana ny Vokatra
- 12.00 – 14.30 : Fiaraha – misakafo sy varotra isan-karazany ao amin’ny Akany Ralibera Daniel (tapakila 10 000Ar azo raisina amin’ny Biraom-piangonana, Loholona sy Diakona, sampana samihafa…)
Fanentanana
Koa manainga antsika amin’nyAlahady 06 Jolay 2014 mba hifampitaona amin’ny Fotoam-pivavahana sy fandraisana anjara amin’ny ireo hetsika isan-karazany , indrindra ny lavantim-bokatra izay ahitana sakafo , tao-javatra, vokatra avy any an-tsaha… ho voninahitr’Andriamanitra.