Herinandron’ny Fanahy Masina
« Manamafy ny finoantsika ny Fanahy Masina »
Tafiditra ao anatin’ny hetsika JKM (Jesoa Kristy ho an’i Madagasikara iarahana amin’ny AFF FOIBE) ny Alarobia 20 JONA 2015 izay tafiditra koa ao anatin’ny herinandro mialoha ny Pentekosta 2015.
Koa asaina isika hiara-mivavaka io alarobia hariva io manomboka amin’ny 6 ora sy Sasany ka ny Lohahevitra dia ny hoe « NY FINOANA, SANGANASAN’NY FANAHY MASINA » (la foi, chef d’œuvre du Saint Esprit) izay alahatr’Andriamatoa ANDRIAMITANDRINA Fenosoa, Mpitandrina sady Talen’ny Fikarohana sy Fandalinam-Pinoana na FFP FJKM.
Ny AMA no hanafana ny fotoana.
Tongava maro hampitombo ny fahalalàna ny Fanahy Masina sy ny finoantsika azy.