Fahasahiranana eo amin’ny Foibe FJKM
FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
SYNODAMPARITANY ANTANANARIVO ATSINANANA
FITANDREMANA AMBAVAHADIMITAFO
« Koa aza matahotra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » II Tim 1 : 8
Ambavahadimitafo, 22 mai 2020
Ho an’ny mpianakavy amin’ny finoana manerana izao tontolo izao, indrindra fa isika zanak’Ambavahadimitafo.
Antony : Fanentanana
Ry havana, ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika ilay miakatra eo amin’ny toeram-boninahiny.
1) Mankasitraka antsika tamin’ny vavaka sy fanohanana ny Fiangonana sy ireo asa sosialy sahaniny indrindra ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao,
« …fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo » I Kor 15 : 58
2) Mandalo fahasahiranana ny Foibe FJKM ankehitriny noho ny tsy fiakaran’ny adidy avy amin’ny Synodamparitany indrindra ireo mpiasa iombonana (Mpitandrina, laika, mpampianatra) ao aminy, koa manentana antsika mba hitondra am-bavaka azy ireo ary hanohana azy ireo ara-bola fa tena sahirana tokoa ; Isika no tànan’Andriamanitra hiahy azy ireo. Efa azo raisina izao hatramin’ny Alahady 24 mai 2020 ny fanomezana atolotrareo.
« Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny Anarany raha manompo ny olona masina ianareo… » Hebreo 6 :10
Misaotra antsika amin’ny anaran’ny Tompo sy ny Fiangonana ary mirary ny fiadanany ho aminareo mandrakariva.
Ny Mpitandrina Alain RANDRIANARISOA,
FJKM AMBAVAHADIMITAFO