Fanompoam-pivavahana Pentekosta 2020
Miarahaba anao nahatratra ny Pentekosta 2020!
Ny hafatr’Andriamanitra nentin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain amin’izao Alahady Pentekosta izao dia nalaina tao amin’ny Asan’ny Apostoly 4 : 8 – 12
8 Ary feno fanahy masina i Petera, ka namaly hoe:
« Ry mpitondra vahoaka sy anti-panahy isany! 9 Raha fotopotorana izahay androany satria nanao soa olona kilemaina, ka anontaniana hoe tamin’ny alalan’iza no nanasitrananay azy, 10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoakan’Israely manontolo fa matoa io lehilahy io salama tsara manoloana anareo eto, dia noho ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, ilay nofantsihanareo tamin’ny hazo fijaliana, nefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty. 11 Izy ilay vato nohamavoinareo mpanao trano, nefa tonga vato fehizoro. 12 Ary tsy misy olon-kafa hahazoana famonjena, satria tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.«
Andeha hiara-hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany