Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza
Publié le 29 août 2020 à 08:08
asa 22 : 10-14
Miarahaba anao amin’ny anaran’i Jesoa Tompo
Tsy mbola misokatra ny fiangonana ny alahady 30 aogositra 2020, ka isika isan-tokan-trano kosa no samy hitarika ny fanompoam-pivavahana araka ny fandaharana eto ambany.
Lohahevitra : Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino
« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo @ Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20
Ny fizahan-toetra faharoa nahazo an’i Joba, sy ny namangian’ny sakaizany telo lahy azy
1 ARY tamin’ny indray andro koa dia avy ireo zanak’Andriamanitra hiseho teo anatrehan’i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan’i Jehovah. 2 Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Avy taiza hianao? Ary Satana dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ny tany aho ka nivezivezy teny.
3 Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza hianao. 4 Ary Satana dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin’ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy. 5 Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony–raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e! 6Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Indro, eo an-tànanao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
7 Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan’i Jehovah ka namely vay ratsy an’i Joba hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany. 8 Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
9 Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va hianao? Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty. 10 Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ny anankiray amin’ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa?
Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony Joba
32 ARY Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dàlana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra.
Ary naka ny roa ambin’ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy 33 ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ny jentilisa; 34 ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hate-loana, dia hitsangana indray Izy.
10 Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia. 11 Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon’i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan’ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran’ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan’ny jentilisa izy. 12 Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin’izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema. 13 Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana hianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’i Jesosy Tompo. 14 Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon’ny Tompo no hatao.
1. Aina no fetra ry Tompo Mpanjaka,
Aina no fetra anarahana anao,
Ka ny faneva tsy maintsy ho zaka,
Ny fanompoana tsy maintsy atao.
Fiv : Indreto izahay, hilanja faneva,
Ilay hazo izay nanavotana anay;
An-tsitrapo no anoloranay tena,
Ka tano mba ho Anao izahay.
2. Aina no fetra ho enti-manoa
Ilay Zanak’ondry nisolo anay;
Fandavan-tena sy fanaovan-tsoa
No fianarana atolotra anay.
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…
3. Aina no fetra, ry Tompo malala!
Aina no fetran’ny fitiavanay;
Ka sanatria izay handao na hiala;
Mandrakizay, ho Anao izahay.
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…
4. Aina no fetra, ny nofo anefa
Mora mirona ho lavo indray,
Ka manampia, ry Mpandresy mahefa!
O! mba tantano, hazony izahay.
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…
5. Aina no fetra, ka ampio, ry Fanahy!
Aina no fetra, vonjeo e, ry Ray!
Aina no fetra, izahay re no sahy;
Aina no fetra, handresy izahay.
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…
Alahady 25 Aogositra 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny mpino« . Ny hafatr’Andriamanitra dia araky ny Jaona 17:11-12: « Ary tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray
Alahady 18 aogositra 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino« . Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IIKor 6;11 – 7;1 » 11Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka. 12Tsy tery aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany. 13Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny
Alahady 04 aogositra 2024, andinihina lohahevitra vaovao indray manao hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino ». Ny Mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IPetera 1;13-16 « 13Koa amin’izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy; 14tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena
Alahady 14 jolay 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao », iombonan’ny Sampana Tanora Kristiana manerana ny FKJM. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitory ny tenin’Andriamanitra araka ny II Kor 15;1-11 1Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay
Alahady 30 jona 2024, ibanjinana farany ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo », ka nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Joda 24-25 24Ary ho an’izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana, 25ho an’Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie,
Akahady 23 jona 2024, alahadin’ny sampana Vokovoko manga manerana ny FJKM, iarahabana sy itondrana am-bavaka ireo Zokiolona, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo« . Ny mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 21; 34-36 sy ITesaloniana 6; 4-11 34Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy