Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao… Dia nino izy mbamin’ny ankohonany rehetra
Alahady 25 oktobra 2020, alahadin’ny sampana fifohazana nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 4 : 46 – 54 : « 46ARY tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin’ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy. 47Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy. 48Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana hianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy. 49Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midìna re, dieny tsy mbola maty ny zanako. 50Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy, ka dia lasa nody. 51Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany. 52Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin’ny ora fahafito no nialan’ny tazo taminy. 53Koa fantatry ny rainy fa tamin’izay indrindra no ora nanaovan’i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin’ny ankohonany rehetra. 54Izany no famantarana faharoa nataon’i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia. «
Manasa anao hiara-hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana manontolo :