Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao
Alahady 07 Martsa 2021, handinihantsika lohahevitra vaovao eto anivon’ny FJKm amin’ity volana martsa ity : « Mampiorina ny mino ny fizahan-toetra ». Lahady fanateram-bokatry ny sampana Volana sy Kintana ihany koa.
Ny hafatr’Andriamanitra nentin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia nalaina avy ao amin’ny Genesisy 22; 11-19 : « 11Fa niantso azy Ilay Anjelin’i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho. 12Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tànanao amin’ny zazalahy, ary aza maninona azy akory hianao; fa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao. 13Ary Abrahama niherika nijery, ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon’ny zanany.14Ary ny anaran’izany tany izany dia nataon’i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: ,Any an-tendrombohitra no hisehoan’i Jehovah.’15Dia niantso an’i Abrahama fanindroany any an-danitra Ilay Anjelin’i Jehovah 16ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany hianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, 17dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony; 18ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, –satria nanaiky ny teniko hianao.19Ary Abrahama dia niverina nankeny amin’ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba. «