Alahadin’ny VFL 2022 – ARY niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa
Alahady 17 Jolay 2022, hitondrana am-bavaka ny Sampana Fivondronana Laika, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Iorenana @ finoana ny fanompoana ».
Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 6 : 7 – 13 « 7ARY niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto. 8Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin’ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin’ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany. 9Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa. 10Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any. 11Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala hianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy. 12Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona. 13Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny »
Manasa anao hiombona amin’ny fotoam-pivavahana :