Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’i Abrahama koa
Alahady 13 novambra 2022, hitondrana am-bavaka ny fitantanana ny fanànana eo anivon’ny FJKM ary koa hitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo.
Mbola antin’ny lohahevitra isika manao hoe « Miomàna handray ny mpamonjy » ka ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 19 1 – 10 : » 1Ary Jesosy niditra ka nandeha namaky an’i Jeriko. 2Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy, izay lehiben’ny mpamory hetra sady nanan-karena. 3Ary nitady hahita izay Jesosy izy, kanefa ny afaka noho ny habetsahan’ny olona nifanety, satria fohy izy. 4Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika aviavy hizaha an’i Jesosy; fa efa handalo tamin’izany lalana izany Izy. 5Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midina faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio. 6Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly. 7Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin’izay lehilahy mpanota Izy. 8Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin’ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ny malahelo; ary raha misy zavatr’olona nalaiko tamin’ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany. 9Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’i Abrahama koa. 10Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very. «
Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :