Jesoa Kristy ho avy amin’ny fahefany
Alahady 20 novambra 2022, nitondrana am-bavaka ny Sampana Mpanazava sy Tily manerana ny sahan’ny FJKM, mbola handinihana ny lohahevitra hoe « Miomàna handray ny Mpamonjy« .
Ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Tesaloniana 5 : 1-5 « Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, 2satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. 3Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.4Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. 5Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ny alina na an’ny maizina isika. «
Manàsa antsika hiombona amin’izao fanompoam-pivavahana izao :