Alahadin’ny sampan-drofia 2023
Alahady 02 aprily 2023, alahadin’ny sampan-drofia, alahadin’ny sampana Dorkasy eo @ sahan’ny FJKM, fanateram-bokatry ny Sampana Tanora Kristiana (STK). Ny hafatr’Andriamanitra nentin’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain dia araka ny Zefania 3 : 14-20 « 4Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. 15Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan’ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao. 16Amin’izany andro izany dia holazaina amin’i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona. 17Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin’ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin’ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin’ny fihobiana Izy. 18Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran’ny latsa izy. 19Indro, hasiako amin’Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin’ny tany rehetra. 20Amin’izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin’izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin’ny firenena rehetra amin’ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin’ny fahababoana ianareo, ka ho hitan’ny masonareo izany, hoy Jehovah. «
Andeha hiombona @ fanompoam-pivavahana :