Izay rehetra lavitra an’Andriamanitra dia levona avokoa, fa izay miaraka Aminy no afaka
Alahady 19 jona 2023, alahady fetin’ny ray, mbola andinihina ny lohahevitra @ity volana ity hoe « Iorenan’ny fahafahana ny Tompo« .
Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny tenin’Andriamanitra arka ny Eksodosy 14: 23-31 « 23Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina, dia ny soavalin’i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny. 24Ary tamin’ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin’ny Egyptiana tao amin’ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin’ny Egyptiana. 25Ary nanala ny kodian’ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan’ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin’ny Egyptiana ho an’ireo.
26Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan’ny rano amin’ny Egyptiana mbamin’ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny. 27Dia nahinjitr’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian’i Jehovah teo afovoan’ny ranomasina ny Egyptiana. 28Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan’i Farao rehetra izay niditra teo amin’ny ranomasina nanenjika ny Zanak’Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza. 29Fa ny Zanak’Isiraely kosa nandeha tamin’ny tany maina teo afovoan’ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ny ankavanany sy teo amin’ny ankaviany. 30Izany no namonjen’i Jehovah ny Isiraely tamin’izany andro izany mba tsy ho azon’ny Egyptiana; ary hitan’ny Isiraely teny amoron’ny ranomasina ny fatin’ny Egyptiana. 31Ary rehefa hitan’ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon’ny tànan’i Jehovah tamin’ny Egyptiana, dia natahotra an’i Jehovah ny olona ka nino an’i Jehovah sy Mosesy mpanompony. »
Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :