FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena

Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena

Publié le 08 octobre 2023 à 08:10

Alahady 08 oktobra, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbol aibanjinana ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52

Ny niverenan’i Jesosy tany Nazareta sy ny fahatanorany
« 39Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’Andriamanitra no teo Aminy.

Jesosy tao amin’ny tempoly, fony izy roa amby folo taona
41Nankany Jerosalema isan-taona ny ray aman-dreniny, rehefa tonga ny andro firavoravoana amin’ny Paska. 42Koa rehefa roa amby folo taona Jesosy dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin’ny andro firavoravoana. 43Rehefa tapitra izany andro izany ka nody izy ireo, Jesosy zaza, dia mbola nijanona tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany; 44koa satria noheveriny fa niaraka tamin’ireo izay niara-dia taminy Izy dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany. 45Nony tsy nahita Azy izy ireo dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy. 46Rehefa afaka hateloana dia hitany tao amin’ny tempoly Izy, nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy. 47Dia talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany. 48Ary raha nahita Azy izy ireo dia gaga ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao izao taminay Ianao? E izato alahelonay sy ny rainao nitady Anao! 49Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto amin’ny tranon’ny Raiko Aho? 50Nefa tsy azon’izy ireo ny teny izay nolazainy taminy. 51Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny dia nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.52Ary Jesosy nitombo fahendrena sy tena ary fahasoavana teo amin’Andriamanitra sy ny olona. « 

Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :


Lire aussi

18/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra

Alahady 18 aogositra 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino« . Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IIKor 6;11 – 7;1  » 11Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka. 12Tsy tery aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany. 13Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny

11/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fahatahorana an’Andriamanitra no ambonin’ny zava-drehetra

Alahady 11 aogositra 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 12;4-7  » Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. 5Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo:

04/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ho masina ianareo, satria masina Aho

Alahady 04 aogositra 2024, andinihina lohahevitra vaovao indray manao hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino ».  Ny Mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IPetera 1;13-16  « 13Koa amin’izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy; 14tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena

28/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona miara-mandeha amin’ny Tompo dia tsara mpitarika ary tsy manan-tahotra

Alahady 28 Jolay 2024, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao ». Ny mpitandrina Rakototsihoaranambololona Domoina, mpitandrina FJKM Miadanimerina, fiangonana miara-mandroso @ FJKM Ambavahadimitafo. no nitory ny tenin’Andriamanitra araka ny Deotoronomia 34;1-8  » 1Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’i Pisga, izay tandrifin’i Jeriko. Ary nasehon’i Jehovah azy

14/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina

Alahady 14 jolay 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao », iombonan’ny Sampana Tanora Kristiana manerana ny FKJM. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitory ny tenin’Andriamanitra araka ny II Kor 15;1-11 1Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay

07/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miaraha mandeha amin’ny Tomponao fa omeny fahefana manokana ianao

Alahady 07 Jolay 2024, iombonana amin’ny sampana Vondrona Fototra Laika – FJKM, andinihina ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao ». Ny mpitandrina Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Apokalipsy 20;1-6 « 1Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny

07/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Fetim-bokatra 2024

Alahady 07 Jolay 2024, alahadin’ny Fetim-bokatra eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 8 : 12 « Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina,

30/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miaro ny olony tsy ho lavo ny Tompo

Alahady 30 jona 2024, ibanjinana farany ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo », ka nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Joda 24-25 24Ary ho an’izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana, 25ho an’Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie,

23/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Vokovoko manga 2024

Akahady 23 jona 2024, alahadin’ny sampana Vokovoko manga manerana ny FJKM, iarahabana sy itondrana am-bavaka ireo Zokiolona, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo« . Ny mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 21; 34-36 sy ITesaloniana 6; 4-11 34Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy

16/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetin’ny Ray 2024

Alahady 16 Jona 2024, fetin’ny Ray, ivon’ny Jobily faha-75 taona ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo ». Alahady nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5; 16  » Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo