Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra
Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 :
« Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy, 4Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany. 5Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan’ny Zanak’Isiraely, izay ampanompoin’ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko. 6Koa lazao amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy ampanaovin’ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo. 7Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy ampanaovin’ny Egyptiana anareo. 8Ary Izaho hampiditra anareo any amin’ny tany izay nananganako tanàna homena an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.