Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra
Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin’ny tany izay nianianako tamin’ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay; 2koa aza manao fanekena amin’ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao? 3Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin’ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny. 4Ary nony niteny izany teny izany tamin’ny Zanak’Isiraely rehetra Ilay Anjelin’i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany. 5Ary ny anaran’izany tany izany dia nataony hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an’i Jehovah.