Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana
Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny lalàn’ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin’ny molony; tamin’ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin’ny heloka. »