Efa nahita ny Tompo aho
Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay nandrian’ny fatin’i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra. 13Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy. 14Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an’i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy. 15Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy. 16Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô. 17Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo. 18Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.