Ny olona miara-mandeha amin’ny Tompo dia tsara mpitarika ary tsy manan-tahotra
Alahady 28 Jolay 2024, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao ».
Ny mpitandrina Rakototsihoaranambololona Domoina, mpitandrina FJKM Miadanimerina, fiangonana miara-mandroso @ FJKM Ambavahadimitafo. no nitory ny tenin’Andriamanitra araka ny Deotoronomia 34;1-8
» 1Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’i Pisga, izay tandrifin’i Jeriko. Ary nasehon’i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana 2sy Naftaly rehetra sy ny tanin’ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin’ny Joda rehetra hatramin’ny ranomasina andrefana 3ary ny tany atsimo sy ny ao amin’ny lohasahan’i Jeriko, tanàna be rofia hatrany Zoara. 4Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao. 5Ary Mosesy, mpanompon’i Jehovah, dia maty teo amin’ny tany Moaba araka ny tenin’i Jehovah. 6Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin’ny tany Moaba, tandrifin’i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany. 7Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny. 8Ary ny Zanak’Isiraely nisaona an’i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an’i Mosesy. «