Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra
Alahady 18 aogositra 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino« . Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IIKor 6;11 – 7;1
» 11Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka. 12Tsy tery aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany. 13Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin’ny zanako), dia mba mihalalaha kosa ianareo. 14Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana’ny mazava sy ny maizina? 15Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino? 16Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy ? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12). 17Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. 18Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa. 52. 11, 12). «
« 1Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo, na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. «