Non classé
Niforona ny Vaomieran’ny Aim-panahy
– Misy vaomiera antsoina hoe Vaomieran’ny Aim-panahy mitsangana eto amin’ny Fjkm Ambavahadimitafo. Fanatanterahana karazana » Tafika Masina » eto amin’ny faritra manodidina ny fiangonana no asa ho sahanina, ary amin’ny taona 2007 izy io no hanomboka hiasa.
– Ny tanjona ho kendrena amin’izany dia ny hanampy ireo fianakaviana manana fasahiranana eo amin’ny fiainana ka hitondra fanampiana ara-pitaizana, indrindra ny ara-panahy. Ny hitaona azy ireo hanana fiainana kristiana ka hanantona ny fiangonana no kinendry farany.
– Ezaka sarotra sy maharitra io asa io koa mitaky fihomanana lalina ho an’ireo izay handray anjara amin’izany asa izany.
– Nanomboka ny fiomanana ary nisy ireo kristiana izay nanoka-tena handray andrikitra amin’izany asa izany. Koa natomboka tamin’ny fanatanterahana fisintahana natao teny amin’ny monastère « Ste Marie » eny Mahitsy – Ambohidratrimo ny 20 ka hatramin’ny 26 aogositra 2006 (monastère an’ireo mpivavaka mpitokamonina katolika).
– Ny Pasitera Rakotoharintsifa mivady no nitarika ny fiofanana. Ny lohevitra dia ny hoe « Mitady fiainana ve ianao?« . Niompana indrindra tamin’ny fanomanan-tena ho an’ny tsirairay no tanjona tamin’ity dingana voalohany ity. Mbola hisy tohiny ny fiofanana fiomanana.
– Nisy 18 (lahy 12, vavy 6) no isan’ireo nanaraka ny fiofanana izay nahitana mpitandrina 5 (4 lahy, 1 vavy), masera Mamre 3, Mpiandry 1.