Conférence momba ny fialàna amin’ny zava-pisotro mahamamo sy zava-mahadomelina
Conférence natao tao amin’ny Akany Ralibera tamin’ny 28 martsa lasa teo izay nataon’ny dokotera RAFARAMALALA Suzanne miasa ao amin’ny Toby FLM Ambohibao
Daty: ALAHADY 28 Mars 2007
Toerana: Akany DANIEL RALIBERA
Mpandahan-teny : Dokotera RAFARAMALALA Suzanne Miasa ao amin’ny Toby FLM Ambohibao
1 – Tanjona : Hahatonga ny olona voafatotry ny zava-pisotro mahamamo sy ny zava-mahadomelina handray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy manokana
2 – Ny asa rehetra ao amin’ny Toby dia mifototra amin’ny Fitoriana ny Filazantsara Fampaherezana sy ny famoahana demonia Fifampitondrana ao anatin’ny firahalahiana kristiana
3 – Ny andraikitry ny dokotera Mitsabo ny marary amin’ny fanafody sy ny toro-hevitra Manara-maso ny fivoaran’ny toe-pahasalamany
4 – Ny asa sy Andraikitra raisina manoloana ny olona voagejan’ny zava-pisotro misy alikaola sy ny zava-mahadomelina ao amin’ny Toby Mresaka sy mihaino azy mba hahatsara ny fifandraisana Manoro-hevitra azy amin’ny lafin-javatra rehetra Manambara ny Fitiavan’Andriamanitra aminy Mangataka ny Fanahy Masina mba hiasa ao anatiny mba handraisany ny Famonjen’i Kristy Ny fepetra :
a) Manaiky ny foto-kevitra ankapobeny ny fianakaviana sy ilay olona (fitoriana sy fitaizana) b)Manaiky ny fifampifehezana amin’ny fiaraha-monina misy ao amin’n Toby
5 – Ny vokatra andrasana : Mahabe fampanantenana satria ny fitoriana sy ny fitaizana dia tokony hitarika amin’ny fiovam-panahy ka miteraka fiainana vaovao ho an’ilay olona. Ny « Rechute » dia azo ialana tsara satria mitohy ny fitaizana amin’ny alalan’ny Asa sy Fampaherezana
N.B: Ny toby dia tsy manao « Désintoxication » fa miankina manontolo amin’ny Asa Fitoriana sy ny famonjena nataon’i Kristy