Mivory ny Tetik’asa Mendrika isaky ny Alahady faha-3 amin’ny 3 ora
Hanomboka ny Alahady 18 Oktobra 2009 ny fivoriana
Mampahatsiahy hatrany ny mpikambana ao aminy ny Tetik’asa Mendrika fa manomboka indray ny fivoriana fanao isaky ny alahady faha-3 amin’ny 15h.
Ka amin’ity volana ity dia ny Alahady 18 Oktobra 2009 no hanantanterahana izany ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.
Raisina an-tanan-droa ireo izay maniry hanatevin-daharana ao amin’ny sampana.
Hiangaviana ho tonga maro fa hisy zava-dehibe ho dinihina amin’io fotoana io.