Advento 2022 : Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany
Alahady 27 novambra 2022, alahady voalohany @ Advento, mbola handalinana hatrany ny lohahevitra hoe « Miomàna handray ny Mpamonjy« , ka nitondran’ny mpitandrina mpiza-draharaha Tianarisoa Miora ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 1 : 9:13 « 9Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao. 10Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. 11Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. 12Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, 13dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra. «
Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :