Alahadin’ny AMA 2023
Alahady 12 novambra 2023, nitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny fanànana eo anivon’ny Foibe FJKM, sady nitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA), sy nitondrana am-bavaka ny firenena. Ny lohahevitra amin’ity volana novambra ity dia ny hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo » .
Ny mpitandrina miza-draharaha Andrimaifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 2 : 1-11 » 1KOA amin’izany dia tsy manan-kalahatra hianao, ralehilahy, na zovy na zovy hianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa hianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. 2Nefa fantatsika fa ny fitsaran’Andriamanitra dia araka ny marina amin’izay manao toy izany. 3Ary hianao, ralehilahy, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran’Andriamanitra hianao? 4Sa hamavoinao ny haren’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? 5Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin’ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra, 6Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: 7ho an’izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay; 8fa ho an’izay mitady ny ho an’ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana, 9eny, fahoriana sy fahantrana ho an’ny fanahin’ny olona rehetra izay manao ratsy, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa koa; 10fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an’ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa koa. 11Fa tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra. «
Manasa anao hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :