Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha
Alahady 19 novambra 2023, alahadin’ny SAMPATI mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo«
Ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka13 : 24- 37 no notoriana : » 24Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany,dia ho tonga maizina ny masoandroary tsy hanome ny fahazavany ny volana,25hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintanaary hohozongozonina ireo hery izay eny amin’ny lanitra.26Ary amin’izay dia ho hita ny Zanak’Olona, avy eny amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra. 27Amin’izay dia haniraka ireo anjely Izy ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.
Fanoharana ny amin’ny aviavyMat 24.32-36;Lio 21.29-3328Mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy: Raha vao mitsiry ny rantsany ka mandravina izy dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. 29Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky, efa eo am-baravarana Izy.30Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho tapitra ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. 31Ny lanitra sy ny tany dia ho levona fa ny teniko dia tsy mba ho levona.
Andriamanitra irery ihany no mahafantatra ny andro sy ny ora
32Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahafantatra, na ny anjely any an-danitra, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.Mat 25.13-15;Lio 19.12-1333Mitandrema, miambena ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana. 34Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara. 35Koa miambena ianareo fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, 36fandrao avy tampoka Izy ka mahita anareo matory. 37Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena. «
Andeha hiombona main’izany fotoana izany :