Alahadin’ny Vokovoko manga 2024
Akahady 23 jona 2024, alahadin’ny sampana Vokovoko manga manerana ny FJKM, iarahabana sy itondrana am-bavaka ireo Zokiolona, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo« .
Ny mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 21; 34-36 sy ITesaloniana 6; 4-11
34Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. 35Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra et? ambonin’ny tany rehetra izany. 36Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.
4Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. 5Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ny alina na an’ny maizina isika. 6Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena. 7Fa izay matory dia matory amin’ny alina; ary izay mamo dia mamo amin’ny alina. 8Fa satria an’ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha. 9Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, 10Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory. 11Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.