Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo
Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity.
Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka :
Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay nataon’i Jesosy sy nampianariny, 2hatramin’ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin’ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny, 3sady niseho koa tamin’ny famantarana maro taorian’ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra. 4Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an’i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; 5fa Jaona nanao batisa tamin’ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. 6Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely? 7Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany. 8Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany. «
1Kor 15 : 1-4 « 1Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo. 3Fa natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, 4dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; «
Jaona 14 : 1-7 « 1Aza malahelo ny fonareo; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. 2Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. 3Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. 4Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay halehako. 5Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? 6Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. 7Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy. «
Salama 103 : 1-6 « Nataon’i Davida Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. 2Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, 3Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, 4Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao, 5Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ny voromahery.6Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin’izay rehetra ampahorina. »
Andeha hhiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :