Alahady fetin’ny reny 2024
Alahady 26 Jaona 2024, ahatsiarovana ny fetin’ny Reny, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampahery ny Fanahy Masina ».
Ny Sekoly Taninketsa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny toriteny an-kira araka ny Genesisy 11, 1-9
» 1Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny. 2Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin’ny tany Sinara izy ka nonina teo. 3Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra. 4Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ny tany rehetra isika. 5Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon’ny zanak’olombelona. 6Ary hoy Jehovah : Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan’ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao. 7Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy. 8Dia tao no nampielezan’i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy. 9Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin’ny tany rehetra; ary tao no nampielezan’i Jehovah ny olona ho eny ambonin’ny tany rehetra.10Izao no taranak’i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an’i Arpaksada izy roa taona taorian’ny safo-drano. 11Ary ny andro niainan’i Sema taorian’ny niterahany an’i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. «