Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitra; ary ampitoero aminay ny asan’ny tànanay
Ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy, Mpitandriana ny FJKM Andrainarivo no nitondrahafatr’Andriamanitra tamin’ny fotoam-panokafana ny Jobily faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo.
Ny teny faneva nofinidy no notoriana tamin’izany : « Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitra; ary ampitoero aminay ny asan’ny tànanay« , Salamo 90, and. 17
1) Iza moa ity Tompon’ny fahasoavana ity?
2) Inona moa izany fahasoavana angatahin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ity Andriamanitra Tompon’ny fahasoavana ity?
3) Inona moa izany hoe : ampitoero aminay ny asan’ny tananay?