FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

A la une

Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fiajaliany

Publié le 07 août 2022 à 09:08

Alahady 07 Aogositra 2022 hibanjnana lohahevitra vaovao indray : « Tano mafy ny finoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 8; 34b « Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fiajaliany ka hanaraka Ahy« . Manasa anao hiombona @ fotoam-pivavahana :

» Tohiny...

Iorenana @ finoana ny fanompoana

Publié le 31 juillet 2022 à 09:07

« Iorenana amin’ny finoana ny fanompoana »; izany no lohahevitra nobanjinina tamin’ny Alahady 31 Jolay 2022 teto @ FJKM Ambavahadimitafo itondrana ambavaka ny toeram-panomanana mpitandrina sy mpampianatra. Alahady niombonana ihany koa tamin’ny fiangonana miara-mandroso, dia ny FJKM Mandraka izay nitondran’ny mpitandrina Razafindramanga Eliarivelo ny hafatr’Andriamanitra. Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :

» Tohiny...

Maty ny finoana raha tsy misy asa

Publié le 24 juillet 2022 à 09:07

Alahady 24 Jolay 2022, mbola hibanjinina ny lohahevitra hoe « Iorenana @ finoana ny fanompoana« . Ny mpitandrina miza-draharaha Rambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Jakoba 2 : 21-26 « 21Tsy nohamarinina tamin’ny asa va Abrahama razantsika tamin’ny nanaterany an’Isaka zanany teo ambonin’ny alitara? 22Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa; 23ary tanteraka

» Tohiny...

Fifaninana hira faneva 25è

Publié le 22 juillet 2022 à 12:07

Noho ny Jobily faha  – 25 taona maha-mpitandrina an’i Pasteur RANDRIANARISOA Alain mivady, dia manasa ny mpiara-mivavaka rehetra ny komitin’ny Jobily mba handray anjara amin’ny fifaninanana HIRA FANEVA izay entina  hankalazana sy hisaorana an’Andriamanitra. Toa izao ny andinindininy tsara ho fantatra : Hira misy andininy telo (03), an – dalana valo (08) avy fara – fahabetsany

» Tohiny...

Alahadin’ny VFL 2022 – ARY niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa

Publié le 17 juillet 2022 à 09:07

Alahady 17 Jolay 2022, hitondrana am-bavaka ny Sampana Fivondronana Laika, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Iorenana @ finoana ny fanompoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 6 : 7 – 13 « 7ARY niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana

» Tohiny...

Alahadin’ny STK – Ny nanirahana ny mpisafo-tany roa lahy

Publié le 10 juillet 2022 à 09:07

Alahady 10 jolay 2022, nitondrana am-bavaka ny Sampana Tanora Kristiana manerana ny FJKM. « Iorenana amin’ny finoana ny fanompoana », izany no lohahevitra dinihintsika mandritra ny volana Jolay. Ny Mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Josoa 2 : 1-16 « 1ARY Josoa, zanak’i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka

» Tohiny...

Alahady 03 jolay 2022 – Fetimbokatra

Publié le 03 juillet 2022 à 09:07

Nankalazaina teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny Alahadin’ny fetimbokatra tamin’ny Alahady 03 Jolay 2022. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitory ny tenin’Andriamanitra, ary ny mpitandrina miza-draharaha Randriambinintsoa Onja kosa no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Manasa anao hiombona amin’ny fotoana :

» Tohiny...

Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray, ka tsy mba nahafoy Azy izahay

Publié le 26 juin 2022 à 09:06

Alahady 26 Jona 2022, fetim-pirenena malagasy faha-62 taonan’ny fahaleovantena, natokana hitondrana am-bavaka ireo zokiolona eto amin’ny fiangonana. Ny tenin’Andriamanitra nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra dia ny tao amin’ny IITantara 13 : 10  » Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray, ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho

» Tohiny...

Alahady fetin’ny ray, alahadin’ny Vokovoko manga

Publié le 19 juin 2022 à 09:06

Alahady 19 jona 2022, ankalazana ny fatin’ny ray, alahadin’ny sampana Vokovoko Manga manerana ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampanjaka ny fahefany ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Randriambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Apokalipsy 12:7-12  » 7Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona

» Tohiny...

Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho

Publié le 12 juin 2022 à 08:06

Alahady 12 jona 2022, alahadin’ny Sekoly FJKM, alahadin’ny Trinite, hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampanjaka ny fahefany ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny 2Tantara 20 : 5 – 9 : « Miverena, ka lazao amin’i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa nohenoiko ny

» Tohiny...