FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

A la une

Vaovaom-piangonana 01 novambra 2020

Publié le 06 novembre 2020 à 07:11

Ireo vaovao tsara ho fantatra momba ny fiangonana, ny sampana, vaomiera sy asa samihafa eto @ FJKM Ambavahadimitafo nambara t@ 01 novambra 2020

» Tohiny...

Ho avy ny krismasy 2020…

Publié le 25 octobre 2020 à 07:10

« Koa mahereza sy mahatanjaha, aza matahotra ny mivadi-po fa omba anao ny Tompo Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao. » Finaritra isika satria ho avy ny krismasy. Tena fotoan-dehibe ho antsika kristiana tokoa izany satria hankalazantsika an’Andriamanitra noho ny fahatongavan’ny Tenin’Andriamanitra tonga nofo tamin’ny alàlan’i Jesoa Kristy. Hafa mihitsy izany fiangonana mankalaza an’Andriamanitra amin’ny krismasy izany, ary misy

» Tohiny...

Kere Ambovombe Atsimo : antso vonjy aina

Publié le 25 octobre 2020 à 07:10

Manoloana ny hain-tany, ny tsy fisian-drano sy ny ranon’orana ny taona 2019 – 2020 tany amin’ny faritra atsimo, synodam-paritany Ambovombe Atsimo Kristy rano velona, izay niteraka tsy fahampian-tsakafo ka niteraka fahafatesana olona maro, dia miantso antsika ny mpiandraikitra Foibe mba handefa ny fanampiana izay fointsika ao amin’ny Foibe FJKM, varavarana 2018

» Tohiny...

Vaovao 25 oktobra 2020

Publié le 25 octobre 2020 à 07:10

Indro fintinina aminao ny filazam-baovao teto @ FJKM Ambavahadimitafo ny Alahady 25 oktobra 2020

» Tohiny...

Fivoahana amin’ny hamehana covid : fandaminana Okt/Nov 2020

Publié le 22 octobre 2020 à 06:10

Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Toy izao manaraka izao indray ny vaovao tsara ho fantatra mikasika ny fiainan’ny fiangonantsika : 1. Miditra amin’ny 9 ora maraina ny fiangonantsika ny alahady faha – 25 oktobra 2020 ho avy izao. Ny katekomena kosa dia miditra amin’ny 7 ora sy sasany maraina. 2. Mbola mitoetra avokoa ireo fepetra

» Tohiny...

Fidirana tokana @ 9 ora manomboka @ alahady 11 oktobra 2020

Publié le 05 octobre 2020 à 09:10

Ilazàna isika fa miverina amin’ny mahazatra ny fotoam-pivavahana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Amin’ny 9 ora no fidirana tokana manomboka amin’io alahady 11 oktobra 2020. Ilazàna koa isika fa amin’ny alahady 11 oktobra 2020 no hisokatra ka azo ampiasaina ny trano fidiovana, rehefa vita ny fanarenana azy taorian’ny fihotsahan’ny rarivato tamin’ny taona 2019 teo.

» Tohiny...

Hatra 2020 : 58% ny vola niditra, 46% no nivoaka

Publié le 05 octobre 2020 à 08:10

Ireo adidy ara-bola samihafa eto amin’ny fiangonana : fanomezana ho an’ny varavarana fikojana fanànan’ny fiangonana fanarenana rarivato kitapom-bolan’ny komity fandraisan-tànana ny mpitandrina Randrianarisoa ny fahavitan’ny adidy amin’ny trano fidiovana narenina fanomezana dabilio ho an’ny Kolejy teolojika Ivato fampandehanan-draharaha Raha ampitahaina ny hatra sy vina 2020, dia 58%n’ny vina no vola niditra ho amin’ny vola niditra,

» Tohiny...

Miverina mianatra ny katekomena 2020 rehefa nihato volana maromaro

Publié le 18 septembre 2020 à 07:09

Nanapa-kevitra ny FJKM Ambavahadimitafo fa hamerina ny fampianarana katekomena manomboka @ Alahady 20 septambra 2020 @ 8 ora maraina, rehefa nihato hatramin’ny volana martsa 2020 izany

» Tohiny...

Fifandraisan-tànana @ ny mpitandrina Randrianarisoa Alain

Publié le 09 septembre 2020 à 09:09

Tapaky ny mpandray tamin’ny fiandohan’ny taona 2020 fa hotaterahina ny « fifandraisan-tànana » amin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain kanefa nihato izany

» Tohiny...

Misokatra ny fiangonana ny alahady 06 septambra 2020

Publié le 01 septembre 2020 à 05:09

Miarahaba antsika amin’ny anaran’ny Tompo. Misaotra an’Andriamanitra lehibe  isika fa afaka hiverina hivavaka ao amin’ny trano fiangonana indray manomboka ny alahady 6 septambra 2020. Koa dia toy izao manaraka izao ny fandaminana : 1. Miditra indroa ny fanompoam – pivavahana :    – amin’ny 8 ora maraina (fidirana voalohany)    – amin’ny 10 ora maraina (fidirana faharoa)

» Tohiny...