FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

A la une

Fifaninana Hira faneva sy logo faha-150 taona

Publié le 17 juillet 2012 à 09:07

Efa misokatra nanomboka ny alahady 15 jolay 2012 teo ny fifaninana hira faneva sy sary famantarana (logo) ho amin’ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo. Toy izao manaraka izao ny fitsipika ny amin’izany : Teny faneva : « Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ny tànanay » Salamo 90 : 17

» Tohiny...

Tsy misy marina na dia iray ary, fa samy efa nanota

Publié le 30 juin 2012 à 06:06

Toriteny nentin-dRamatoa Alice Disaine tamin’ny Alahady 17 jona 2012. Mifandray indrindra amin’ny lohahevitry ny FJKM hoe : « Mihavao hatrany ny marina ». Alahady fankalazana ny fetin’ny ray ihany koa ary nentin’ny Taninketsa nanatanteraka ny voka-dehibe voalohany.

» Tohiny...

Fa amin’ny fo no hinoana, ahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no hanekena ahazoana famonjena

Publié le 18 juin 2012 à 04:06

Toriteny nentin’ny mpitandrina Rakotoniera Christian Eric ny alakamisy 17 mey 2012, andro fiakarana, sady andro nanokanana ireo Katekomena Zokiny ho isan’ny Mpiray latabatra amin’ny Tompo. « Iza no hidina any amin’ny lalina? (dia ny hampiakatra an’i Kristy avy any amin’ny maty izany.)8 Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao

» Tohiny...

Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitra; ary ampitoero aminay ny asan’ny tànanay

Publié le 13 juin 2012 à 08:06

Toriteny alahady 20 mai 2012, fotoam-panokafana ny Jobily faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo

» Tohiny...

Nosokafana tamin’ny 20 mey 2012 ny Jobily faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 12 juin 2012 à 08:06

1863 – 2013 . Hatratra ny 150 taona niorenany ny Fiangonana Ambavahadimitafo. Haharitra erintaona ny fankalazana izany: natomboka ny 20 mey 2012 ary hitohy mandritra ny taona 2013.

» Tohiny...

Fanokafana ny Jobily faha-150 taona

Publié le 14 mai 2012 à 07:05

Amin’ny alahady 20 mai 2012 no hanokafana ny fankalazana ny Jobily faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo. Ny teny faneva noraisina dia ny ao amin’ny Salamo 90, 17 : « Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ny tànanay; Eny, ny asan’ny tànanay, ampitoero izy.  » Koa manasa ny rehetra ho tonga maro

» Tohiny...

Ekenareo ve ny andraisan-tanana ny Mpitandrina Rakotoniera Eric eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo?

Publié le 11 mai 2012 à 09:05

Amin’ny Alahady 13 mey 2012 izao, ao aorian’ny fanompoam-pivavahana no hotanterahina eto amin’ny fiangonana ny fanehoan-kevitra mikasika ny fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera Cristian Eric. Ny fanontaniana hapetraka amin’izany moa dia ny hoe : Ekenareo ve ny andraisan-tanana ny Mpitandrina Rakotoniera Eric eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo? Araka ny fitsipiky ny FJKM moa dia latsa-bato miafina no

» Tohiny...

Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan’ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy

Publié le 06 mars 2012 à 09:03

Toriteny nentin’ny mpitandrina Rakotoniera Eric tamin’ny alahady 04 marsa 2012, alahady hibanjinana ny karemy na ny fandinihan-tena manoloana ny fijalian’ny Tompo ary hikatsahantsika ny sitrapon’Andriamanitra izay omeny antsika. Lohahevitra vaovao no omena ny FJKM amin’ity volana ity : Mahaefa ny zavatra rehetra ny Tompo.

» Tohiny...

Lisitry ny Diakona voafidy hiasa ny taom-piasana 2012-2015

Publié le 06 mars 2012 à 06:03

Indro atolotra anao ireo Diakona voafidy hiasa mandritra ny taom-piasana 2012-2015 eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Natokana ho isaky ny Sokajy misy azy moa izy ireo, izay nomena anarana vaovao manokana nohon’ny maha-fikambanana Masina azy ireo. Sokajy voalohany : ANTSO Vavy : ANDRIANARIVELO    Chantal ANDRIANARIVELO    Ilonavalona MARIA    Alexandrine RAKOTOVAO    Eléonore Barivola RAKOTOVAO    Grimaud Rachel RALISON    Voahangy

» Tohiny...

Hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko aho

Publié le 29 février 2012 à 12:02

Alahady Karemy voalohany, 26 febroary 2012, fanokanana ny Sampana Tanora Kristiana (STK) eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo sy ny fanamiana Ny teny nofidian’ny STK hanankinana ny hafatra dia ny Salamo faha-22; 22 : « Hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko aho » 1) Nahoana no mitory ? 2) Inona no toriana ? 3) Inona no vokatry ny fitoriana? Ny

» Tohiny...