FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fiainana kristianina

Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan’ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy

Publié le 06 mars 2012 à 09:03

Toriteny nentin’ny mpitandrina Rakotoniera Eric tamin’ny alahady 04 marsa 2012, alahady hibanjinana ny karemy na ny fandinihan-tena manoloana ny fijalian’ny Tompo ary hikatsahantsika ny sitrapon’Andriamanitra izay omeny antsika. Lohahevitra vaovao no omena ny FJKM amin’ity volana ity : Mahaefa ny zavatra rehetra ny Tompo.

» Tohiny...

Hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko aho

Publié le 29 février 2012 à 12:02

Alahady Karemy voalohany, 26 febroary 2012, fanokanana ny Sampana Tanora Kristiana (STK) eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo sy ny fanamiana Ny teny nofidian’ny STK hanankinana ny hafatra dia ny Salamo faha-22; 22 : « Hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko aho » 1) Nahoana no mitory ? 2) Inona no toriana ? 3) Inona no vokatry ny fitoriana? Ny

» Tohiny...

Ny tenin’Andriamanitra dia mahay mitsara ny eritreritra amam-pisainan’ny fon’ny olona

Publié le 24 février 2012 à 09:02

Toriteny alahady 19 febroary 2012 nentin’ny mpitandrina miza-draharaha eto amin’ny fiangonana. Lohahevitra Febroary 2012 : Mahita ny zavatra rehetra ny Tompo Ny Hebreo 4:12,13 no nangalana ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany : « Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona

» Tohiny...


Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana

Publié le 15 janvier 2012 à 09:01

Toriteny tamin’ny alahady 13 novambra 2011. Nangalana ny hafatr’Andriamanitra tao amin’ny Asan’ny Apostoly 2 : 42 « Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana. » Ity volana novambra ity dia natokan’ny FJKM mba hibanjinantsika ny asa fitoriana ny filazantsara, ka izay no hijerentsika manokana ny bokin’ny

» Tohiny...

Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao

Publié le 07 novembre 2011 à 08:11

Alahady 30 oktobra 2011 : alahady hanamarihan’ny fiangonana protestanta manerana izao tontolo izao ny fanitsiam-pivavahana; hitondrana am-bavaka ny maha-protestanta. Ny maha-protestanta antsika dia ny fiainantsika ny tenin’Andriamanitra, ny fanamboniantsika ny Soratra Masina ho ambony noho ny fampianarana rehetra ary izany Soratra Masina izany no loharano miteraka ny  finoana ao anatintsika ao. Ny mpitandrina Rakotoniera Eric

» Tohiny...

Ary talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nilatsaka tamin’ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina

Publié le 05 novembre 2011 à 08:11

Alahady 23 oktobra 2011 : alahadin’ny Fifohazana manerana ny sahan’ny FJKM; fandaharana iraisana no atao amin’izany. Mbola ao anatin’ny iray volana hibanjinan’ny FJKM ny lohahevitra hoe : Mampiorina antsika ao amin’ny Tompo ny batisa Ny mpitandrina Rakotoniera Christian Eric no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, izay nalaina tao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 : 44 Raha mbola nilaza

» Tohiny...

Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra

Publié le 22 octobre 2011 à 07:10

Ny mpitandrina Rakotoniera Christian Eric no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny alahady 02 Oktobra 2011. Ny filazantsaran’i Matio 28 : 16 – 20 no nangalana ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany : 16 Ary ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesosy halehany.17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny

» Tohiny...

Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay

Publié le 19 octobre 2011 à 07:10

Toriteny nentin’ny mpitandrina miza-draharaha Rabenarivelo Hery Tahiana tamin’ny alahady 25 septambra 2011. Ny tenin’ny Soratra Masina izay nangalana ny hafatra avy amin’Andriamanitra tamin’izany dia ny tao amin’ny Josoa 24 : 15 : 15 Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny

» Tohiny...

Tsy afaka miteny ny olona iray hoe nanolo tena raha tsy nitory ny filazantsara

Publié le 17 octobre 2011 à 07:10

Toriteny tamin’ny alahady 11 septambra 2011, alahady natokana ho an’ny Asa Fitoriana ny Filazantsara.  Notoriana tamin’izany ny Salamo 31 : 1-8 : 1 Ho an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida. Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin’ny fahamarinanao aho.2 Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho

» Tohiny...