FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fiainana kristianina

Toriteny : Ny fanjakan’Andriamanitra

Publié le 23 décembre 2010 à 03:12

Ho an’izay rehetra malala eo imason’Andriamanitra sady voantso no masina. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika ! Amena . Ny basileia qeou na  h basileia twn Ouranwn  izay miverina in-122 ao amin’ny Filazantsara ary in-99 ao amin’ny Synoptika dia fanantanterahana ny Teny faminaniana ny tany tondra-dronono sy tantely nambaran’ny Fanekena Taloha. Miainga avy amin’ny Teolojia Biblika

» Tohiny...

Krismasy 2010 :-)

Publié le 23 décembre 2010 à 09:12

Amin’izao fahatongavan’ny fetin’ny Noely izao dia faly izahay ekipan’ny site web miarahaba anao sahady nahatratra ny Noely ary mirary fety sambatra ho anao. Ny fiadanan’ny Tompo anie hitoetra ao aminao. Enga anie hitondra aina vao ho anao izao fahatsiarovantsika ny nahatongavan’Ilay Mpamonjy tety an-tany izao . « Fa zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena

» Tohiny...

19 desambra 2010 – Advento IV

Publié le 13 décembre 2010 à 08:12

Isaia 9: 1-6; Jaona 16:25-33; I Timoty 2: 1-7.
Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava.

» Tohiny...

12 desambra 2010 – Advento III

Publié le 12 décembre 2010 à 01:12

Joba 22 : 21-30 ; Matio 24 : 45 -51; Asan’ny Apostoly 9 : 19b-31.
Matio 24: 46 Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.

» Tohiny...

Herinandro fiandrasana ny Krismasy

Publié le 09 décembre 2010 à 02:12

Manatanteraka fotoam-bavaka ny eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo isaky ny amin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 7 ora hariva manomboka ny alatsinainy 13 desambra 2010, mba ho fiandrasana ny Krismasy. Toy izao ny fandaharam-potoana ary hanentanana antsika kristianina tsy an-kanavaka : Alatsinainy 13 Desambra miaraka amin’ny Tetikasa Mendrika-Tanora Zokiny-Volana sy  Kintana ary ny Pasitera Rakotoniera Christian

» Tohiny...

Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa, Isaia 40.31

Publié le 09 décembre 2010 à 02:12

Ry Fiangonana Ambavahadimitafo ! Hafaliana ho ahy sy ny ankohonako ny miarahaba anareo mpamaky ny gazety ary inoako fa rariny sady hitsiny izany satria sambany izahay vao manoratra eto! Koa arahaba amin’ny Anaran’ny Tompo ary fisaorana no atolotra ny mpikarakara ny Gazetintsika!

» Tohiny...

5 desambra 2010 – Advento II

Publié le 05 décembre 2010 à 01:12

Salamo 122: 1-9; Jaona 14: 27-31; Filipiana 4: 4-9.
Manomboka eo amin’ny Salamo: 121: 2 ny fanazavana: Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

» Tohiny...

28 novambra 2010 – Advento I

Publié le 28 novembre 2010 à 01:11

Zakaria 8 : 14 -17 ; Lioka 3 : 7 – 18 ; II Jaona 1 : 1 – 6.
Lioka 3: 15 Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an’i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia. 16 dia namaly Jaona ka nanao tamin’izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin’ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo.

» Tohiny...

Hafatry ny Advento 2010

Publié le 28 novembre 2010 à 01:11

Ry Havana malala ao amin’ny Tompo ! Mandia vanim-potoana vaovao ny Fiangonana Kristiana manerana izao tontolo izao dia ny Alahady Voalohany amin’ny Advento sady miditra amin’ny Taom-Piangonana vaovao ihany koa anio 28 Novambra! Miarahaba antsika mpianakavin’ny Finoana rehetra noho izany sady maniry soa ho anareo. Heveriko fa ny fanazavana ara-tSoratra Masina mikasika ny Advento no fanomezana tsara

» Tohiny...

Toriteny Alahady 2 Mey 2010: Ny mahasambatra ny mpanompon’Andriamanitra

Publié le 21 juillet 2010 à 12:07

Toriteny nataon’i Pasitera Rija Ranaivo, mpitandrina mizaha-draharaha ao amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, mikasika ny fahasambarana noho fanekena ny heloka sy ny fandraisana ny famelan-keloka, araka ny hita ao amin’ny Salamo 32: 1 -7.

» Tohiny...