FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fiainana kristianina

Toriteny Alahady 17 May 2009 : Mampahery ny finoana

Publié le 28 mai 2009 à 12:05

Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra. Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako. Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha.

» Tohiny...

Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah, Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy

Publié le 06 mai 2009 à 12:05

Toriteny Alahady 03 mai 2009 nataon’ny mpitandrina Rakotonoeliarimanana : "Azo antsoina amin’ny fotoana rehetra Andriamanitra, azo itarainana amin’izay miteraka fahatsapàna lalina; miaraka amin’izay mitaraina aminy Andriamanitra"

» Tohiny...

Toriteny Alahady 26 avril 2009 : Indro, Andriamanitra Izay Tomponay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka o ! Daniela 3:13-18

Publié le 29 avril 2009 à 12:04

Toritenin’ny mpitandrina Rakotonoeliarimanana tamin’ny Alahady 26 avril 2009 : mitantara ny famonjena mahagaga an’ireto hebreo 3 lahy rehefa natsipy tao anaty lafaoro misy afo mirehitra izy

» Tohiny...

Andriamanitro o, Andriamanitro o, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?, Salamo 22:2

Publié le 19 avril 2009 à 12:04

Toritenin’ny mpitandrina Dr RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo tamin’ny Alakamisy Masina 09 avril 2009 : « Ary tamin’ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin’ny feo mahery ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! Izany hoe, raha adika: "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" (Salamo 22.2) »

» Tohiny...

Toriteny Alahady 29 Marsa 2009 : Simona Petera, niverina ao amin'i Jesoa Kristy na dia efa nandà aza

Publié le 29 mars 2009 à 12:03

Ny nandàvan’i Simona Petera an’i Jesoa sy ny niverenany indray ka nanokanany tena ho amin’ny fitoriana

» Tohiny...

Toriteny alahady 22 Marsa 2009 – "Aoka hisikina ny valahinareo, aoka hirehitra ny jironareo…", Lioka 12:35

Publié le 24 mars 2009 à 12:03

Baiko izay omen’i Kristy ny ondry vitsy (Lioka 12:32 : “Aza matahotra ry ondry vitsy”). Ary raha miteny ny Tompo hoe ondry vitsy, dia miresaka amin’izay olona tapa-kevitra hiara-dia marina Aminy Izy. Raha miteny Izy hoe ondry vitsy, dia efa voafantina izay ireo miaramilan’i Kristy.

» Tohiny...

Toriteny alahady 08 Marsa 2008 : "Fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra." Lioka 13,3

Publié le 17 mars 2009 à 12:03

"Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin’ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany? Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin’ity taona ity mandrapihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika; angamba mbola hamoa ihany izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany; Lioka 13,1-9.

» Tohiny...

Toriteny alahady 15 Mars 2009 : Miangona eny mivoria ianareo ry firenena tsy manan-kenatra

Publié le 17 mars 2009 à 12:03

Miangona eny mivoria ianareo ry firenena tsy manan-kenatra. Mitadiava an’i Jehovah. Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana. Miverena amin’Andriamanitra;

» Tohiny...

Ny adidy mahamaika amin'izao fotoana izao

Publié le 15 janvier 2009 à 12:01

Fikambanana iray lehibe izay mikendry zavatra ambony dia ambony ny Fiangonana. Sady milofo hanatsara ny fiainan’ny olona izy no miezaka koa hampandroso ny fanahiny ho amin’ny fiainana mandrakizay…

» Tohiny...

Tonom-bavaka nataon'i Paoly ho an'ny fiangonana tany Efeso

Publié le 15 janvier 2009 à 12:01

Mangataka aho mba hahafantaranareo ny hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izay anasoavany antsika mpino, araka ny fiasany tsy hay tohaina sy mahery vaika; Efes 1,19 DIEM

» Tohiny...