FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny

Tanteraho ny fanompoanao – faha-30 taona SAFIF

Publié le 13 mars 2022 à 05:03

Alahady 13 martsa 2022, nankalazana ny faha-30 taonan’ny Sampana Fifohazana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, izay nitoriana ny tenin’Andriamanitra sady fanevan’izao fankalazana izao : « Fa asany isika, voaforona tao amin’ny Kristy Jesoa mba hanao asa tsara…. Tanteraho ny fanompoanao ». Ramatoa Razafiarisoa Voahirana, Biraon’ny Fifohazana Synodam-paritany Antananarivo Atsinana no nitarika ny fotoam-pivavahana, ary ny mpitandrina Ranomenjanahary Solofo

» Tohiny...

Ny tantaran’i Sodoma sy Gomora

Publié le 06 mars 2022 à 06:03

Alahady 06 martsa 2022, andinihan’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Mamaly faharatsiana ny Tompo » mandritra ity volana ity, ka nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Genesisy 19 : 24-29 :  » 24Ary Jehovah nandatsaka tamin’i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin’i Jehovah tany an-danitra, 25ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka

» Tohiny...

Mitàna ny teniny ny Tompo. Inona no tokony ataontsika ?

Publié le 27 février 2022 à 06:02

Alahady 27 febroary 2022 , alahady faran’ny volana handinihina ny lohahevitra hoe « Mitàna ny teniny ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha RANDRIANAMBININTSOA Onja ny hafatr’Andriamanitra araka izany lohahevitra izany. Manàsa anao hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana :    

» Tohiny...

Ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny Teniko tsy mba ho levona

Publié le 13 février 2022 à 04:02

Alahady 13 febroary 2022, alahadin’ny Baiboly nitondrana ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 24 : 35 « Ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny Teniko tsy mba ho levona« 

» Tohiny...

Mitàna ny teniny ny Tompo

Publié le 06 février 2022 à 04:02

Alahady 06 Febroary 2022, faha-5 manaraka ny Epifania hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitàna ny teniny ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitory ny tenin’Andriamanitra avy ao amin’ny Genesisy 5 : 7-21 « 7Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran’ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.

» Tohiny...

Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary hianareo, ry taranak’i Jakoba, dia tsy fongana

Publié le 23 janvier 2022 à 01:01

Alahady 23 Janoary 2022, hitondrana ambavaka ny FFKM mandritra ity herinandro ity. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Malakia 3: 6 «  Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary hianareo, ry taranak’i Jakoba, dia tsy fongana  » Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany

» Tohiny...

Ny fiainam-pianakaviana mahafaly an’Andriamanitra

Publié le 12 décembre 2021 à 05:12

Alahady 12 desambra 2021, natokana ho an’ny Sekoly Alahady mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo« . Ny hafatra avy ao amin’ny Ohabolana 23 : 12-18 no notoriana « 12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo

» Tohiny...

Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo

Publié le 05 décembre 2021 à 09:12

« Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo », izany indray no lohahevitra vaovao banjinina eto amin’ny sahan’ny FJKm ho an’ny volana Desambra. Alahady 05 desambra 2021, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr »Andriamanitra avy ao amin’ny Filipiana 4 : 4a – 5b : « Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo … efa mby akaiky ny Tompo »

» Tohiny...

Advento 2021 : Toriteny an-kira – Sekoly Taninketsa

Publié le 29 novembre 2021 à 09:11

Tahaka ny fanaony isan’taona dia tamin’ity alahady 28 novambra 2021 ity no nanatanterahin’ny Sekoly Taninketsa ny toriteny an-kira teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo.

» Tohiny...

Alahady 10 oktobra 2021 : Tafika masina

Publié le 14 octobre 2021 à 04:10

Alahady 10 oktobra 2021, niarahan’ny vahoakan’Andriamanitra avy ao @ FJKM Ambavahadimitafo sy ny FJKM Isoavina Fiorenana miombom-bavaka am-po sy am-panahy teto amin’ny FJKM Isoavina Fiorenana, taorian’ny Tafika masina notanterahina teny an-toerana. Manasa anao hiombona amin’ny fotoam-pivavahana :

» Tohiny...