FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny

Ry fanahy moana sy marenina! Mandidy anao Aho: Mialà aminy ka aza miditra ao anatiny intsony!

Publié le 25 juin 2023 à 09:06

Alahady 25 Jona 2023, hiombonana am-bavaka @ Sampana Vokovoko manga, hiderana an’Andriamanitra noho ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovan-tena an’i Madagasika, niarahabana ireo ray aman-dreny 70 taona no miakatra, nandinihina farany ny lohahevitra hoe « Hiorenan’ny fahafahana ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka 9 : 25b  » Ry fanahy moana

» Tohiny...

Izay rehetra lavitra an’Andriamanitra dia levona avokoa, fa izay miaraka Aminy no afaka

Publié le 18 juin 2023 à 09:06

Alahady 19 jona 2023, alahady fetin’ny ray, mbola andinihina ny lohahevitra @ity volana ity hoe « Iorenan’ny fahafahana ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny tenin’Andriamanitra arka ny Eksodosy 14: 23-31 « 23Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina, dia ny soavalin’i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.

» Tohiny...

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo

Publié le 04 juin 2023 à 09:06

Alahdy 04 Jona 2023, alahady fetin’ny reny, nifampizarana niaraka tamin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny Jaona 8:36 « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » sady nanoloran’ny Sekoly Taninketsa ny amboaran-kira ho an’i neny. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izana :

» Tohiny...

Alahady Pentekosta 2023

Publié le 28 mai 2023 à 09:05

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

» Tohiny...

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Publié le 21 mai 2023 à 09:05

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

» Tohiny...

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Publié le 14 mai 2023 à 09:05

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

» Tohiny...

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Publié le 07 mai 2023 à 09:05

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

» Tohiny...

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Publié le 30 avril 2023 à 09:04

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

» Tohiny...

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Publié le 23 avril 2023 à 09:04

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

» Tohiny...

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Publié le 16 avril 2023 à 09:04

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina

» Tohiny...