FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fikambanana

STK

Comment trouver les informations?

Publié le 27 janvier 2010 à 01:01

Ny fihaonan’ny Sampana Tanora Kristiana (STK) manaraka dia atao ny Sabotsy ho avy izao amin’ny 14h30 ao amin’ny Akany Ralibera Daniel. Hisy famelabelaran-kevitra momba ny asa fanaovan-gazety amin’io fotoana io mitondra ny lohahevitra hoe : « Comment trouver les informations?« 

» Tohiny...

AMA

Toriteny an-kira ataon’ny AMA ny Alahady 31 Janoary 2010

Publié le 27 janvier 2010 à 08:01

Ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo dia hanatanteraka toriteny an-kira amin’ny alahady 31 Janoary 2010, izay solon’ny antsam-piderana nokasaina hotanterahina ny Krismasy 2009 teo ka tsy tanteraka noho ny antony iaraha-mahafantatra. Ny hevi-dehibe izay nitondran’ny Antoko Mpihira izany dia Fiderana. Midera satria : – nahavita ny taona 2009 – na dia teo aza ireo fitsapana nolalovan’ny tsirairay,

» Tohiny...

Efa nivoaka ny gazety Akon’Ambavahadimitafo Janoary 2010

Publié le 27 janvier 2010 à 07:01

Ilazana isika fa efa nivoaka ny gazety laharana Janoary 2010 ka azontsika vidina eny amin’ny tompon’andraikitra izany.

» Tohiny...

Fivoahana an-tsaha SAMPATI XIII

Publié le 05 janvier 2010 à 08:01

Ny SAMPATI XIIIème Ambavahadimitafo dia nahavita ny Fivoahana an-tsaha ny 28 sy 29 Novambra 2009 teo tany Ambatomanga. Ny firaisankina nisy teo @ Komitin’ny faha-60 taona sy ny commissions maro (Oraganisation générale, Lieu, Cuisine, Transport, Activités, Uniforme) ary ny fifankatiavan’ny rehetra no nentina nanomana sy nahatanterahan’ny Lasy. Ny Lasy dia nizotra tsara ary nahitana mpandray

» Tohiny...

Tatitra Asa Sosialy 2009

Publié le 05 janvier 2010 à 01:01

Ny lahasa sy ny fandaniana nataon’ny Asa Sosialy teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo nandritra ny taona 2009 Toy izao ny tatitra momba ny entimanana, ny lahasa ary ny fandaniana nataon’ny Asa Sosialy eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo nandritra ny taona 2009: I-Ny entimanana – Les ressources Taona 2009 Fanamarihana Fanomezana avy @Fiangonana -Allocations de la Paroisse Ar

» Tohiny...


Hiofana ny Fifohazana Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana

Publié le 18 novembre 2009 à 08:11

Hotanterahana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny fiofànan’ny Mpiandry sy ny Mpiomana eto amin’ny Synodam-paritany Atsinanana. Ny fotoana dia ny zoma 20 Novambra 2009 manomboka amin’ny 9h ary mifarana ny asabotsy 21 Novambra 2009 aorian’ny sakafo atoandro.

» Tohiny...

AMA

Miara-mivavaka ao amin’ny MAMRE ny AMA isaky ny asabotsy fahatelo

Publié le 18 novembre 2009 à 08:11

Entanina hatrany ny mpikambana hamonjy ny fianaran-kira isaky ny asabotsy amin’ny 14h30 sy alahady amin’ny 15h. Eo ihany koa ny fiaraha-mivavaka fanao isaky ny asabotsy faha-telon’ny volana ao amin’ny MAMRE amin’ny 8h30. Ireo rehetra te-hiditra ho mpikambana dia raisina am-pitiavana amin’ny fanompoana ny Tompo

» Tohiny...

Hanantanteraka « la retraite » ny mpiandraikitra AFFA

Publié le 18 novembre 2009 à 06:11

Toy ny fanao isan-taona dia hanantanteraka « la retraite » na « fisintonan’ny mpiandraikitra » ny mpiandraikitra ao amin’ny AFFA ny 27, 28, 29 Novambra 2009. Ny toerana hanaovana izany dia eny Betela Ambohimangakely, izany dia hanasàna ny mpiandraikitra rehetra. Ny mpiofana ho mpiandraikitra ary izay hiditra ho mpiofana mpiandraikitra, ny fiaingàna dia ny 27 Novambra 2009 amin’ny 6h30

» Tohiny...

Lasy any Ambatomanga

Publié le 12 novembre 2009 à 08:11

Ho fanohizana ny fankalazana ny jobily faha 60 taona , ny SAMPATI faha 13 dia hanantanteraka fivohana an-tsaha ny 28 – 29 Novambra 2009 any Ambatomanga. Fifaliana hoan’ny komity noho izany no hanasa an’ise   mba hanatrika sy handray anjara mavitrika amin’izany lasy izany  ary tokony hisoratra anarana mialoha amin’ny Rtoa Rabe Voahangy sy Rakotovao Zoely ary ny

» Tohiny...