FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fikambanana

Hiara-hisakafo eo amin’ny zaridainan’ny Tetik’asa Mendrika

Publié le 12 novembre 2009 à 08:11

Mampandre ny mpikambana sy ireo izay te hanantevi-daharana ny sampana fa ny alahady 15 Novambra 2009 dia hisy fiaraha-misakafo izay atao ao amin’ny zaridainan’ny Tetik’asa Mendrika, etsy avaratry ny fiangonana. Iangaviana mba samy hitondra ny sakafony sy ny fitaova-pihinana (vilia sy sotro ary ny vera). Izany dia atao ao aorian’ny fiangonana maraina

» Tohiny...

VFL

Fisaoarana avy amin’ny VFL noho ny fanaterambokatra 01 Novambra 2009

Publié le 12 novembre 2009 à 08:11

Hisaorana ny vahoakan’Andriamanitra tonga nanotrona ny Vondrona Fototra Laika (VFL) tamin’ny fanantanterahina ny voka-dehibe ny Alahady 01 Novambra 2009. Hisaorana isika rehetra ary ny voninahitra ho an‘Andriamnitra irery ihany . Ny Alahady 15 Novambra 2009 no hanaovana ny tatitra tamin’ny sakafom-pifaliana sy ny voka-dehibe izany dia atao eny an-tokan – tranon’i Randriamahazomanana Jacquis mivady eny

» Tohiny...

Fandaminan’asan’ny Diakona sy Loholona Sokajy faha-3

Publié le 12 novembre 2009 à 07:11

Ho an’ny loholona sy ny diakona ao main’ny sokajy fahatelo: hisy fivoriana fandaminan’asa sy fiomanam-panahy izay ho tanterahina ny asabotsy 14 Novambra 2009 ho avy izao manomboka amin’ny 9 ora ka hataramin’ny 11 ora sasany eto am-piangonana amin’io fotoana io no hanadihadiahan’i Pasitera Harry ny Matio 23

» Tohiny...

STK

STK manomana krismasy 2009

Publié le 12 novembre 2009 à 01:11

Ny fihaonana manaraka dia ny asabotsy 14 Novambra 2009  ho avy izao amin’ny 3 ora ao amin’ny Akany Ralibera , hisy fianaran-kira sy dihy atao amin’izany , ho fikarakarana ny fety izay atao amin’ny krismasy .

» Tohiny...

Fisaoarana avy amin’ny AFFA noho ny fety 25 Oktobra 2009

Publié le 12 novembre 2009 à 06:11

Ny sampana AFFA dia maneho fisaorana antsika ray aman-dreny , ny MAMRE , ny mpitandrina mpanampy tamin’ny fanantanterahana ny fety famaranana izay natao ny 25 oktobra 2009 , Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly fitioa anareo . Ny sampana AFFA dia hanantanteraka la retraite toy ny fanao isan-taona ny 27 -28 -29 Novambra 2009 ho avy

» Tohiny...

Efa mianatra Fety krismasy izao ny ankizy

Publié le 21 octobre 2009 à 08:10

Ny STA sy ny STK ary ny Volana sy Kintana dia manao izao filazana izao fa manomboka ny alahady 18 Oktobra 2009 isaky ny amin’ny 2:30 tolakandro ny fianarana ny Fety krismasy. Koa manentana ny Ray aman-dreny mba handefa ny ankizy ho amin’izany. Ilazana koa ireo olona mikasa hampanao hira manokana ny zanany, fa hatramin’ny

» Tohiny...

VFL

Mivory ny Tetik’asa Mendrika isaky ny Alahady faha-3 amin’ny 3 ora

Publié le 18 octobre 2009 à 08:10

Hanomboka ny Alahady 18 Oktobra 2009 ny fivoriana Mampahatsiahy hatrany ny mpikambana ao aminy ny Tetik’asa Mendrika fa manomboka indray ny fivoriana fanao isaky ny alahady faha-3 amin’ny 15h. Ka amin’ity volana ity dia ny Alahady 18 Oktobra 2009 no hanantanterahana izany ao amin’ny Akany Ralibera Daniel. Raisina an-tanan-droa ireo izay maniry hanatevin-daharana ao amin’ny

» Tohiny...

STK

Fianaran-kira sy fandalinam-pinoana

Publié le 16 octobre 2009 à 01:10

Ny Sampana Tanora Kristiana dia hanantanteraka fivoriana ny asabotsy 17 Oktobra 2009 amin’ny 14h ao Antsahabe ao an-tokantranon’i Jaona. Ny fotoanan’ny sampana dia eo anoloan’ny Supermarket Antsahabe. Ny ho atao amin’izany fivoriana izany dia fianaran-kira sy fandalinam-pinoana miaraka amin’ny pasitera Rija.

» Tohiny...

Famaranana ny taona 2009

Publié le 16 octobre 2009 à 06:10

Ny Sampana AFFA dia faly manasa antsika fiangonana amin’ny fety famaranana ity taona 2009 ity. Izany dia ho atao ny 25 Oktobra 2009 amin’ny 14h30 ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.

» Tohiny...